Fifidianana filohampirenena 2023 – Matsiatra Ambony – Amoron’i Mania – Ampiasain’ny fitondrana ny mpampianatra sy ny ray aman-dreny ara-drazana ifehezana ny voka-pifidianana

Ny Valosoa

Efa tsy takona afenina intsony fa izao governemanta tarihin’ny pramiministra Ntsay izao dia tsy manana eritreritra mihitsy ny hanatanteraka fifidianana milamina, marina sy tsy mitanila ary tsy mikatsaka afa-tsy ny hampandany an’i Andry Rajoelina amin’ny fomba rehetra. Ho fanampin’ireo paikady maloto efa miseho sesilany dia porofo indray ity tranga ao Matsiatra Ambony sy Amoron’i Mania ity, eo anivon’ny tontolon’ny fanabeazana sy fampianarana ary maha-voaraikitra ny ministeran’ny fanabeazana (MEN).

Nahazo baiko ireo sefo ZAP hanendry mpampianatra isaky ny biraom-pifidianana hijoro ho delege, ary handefa ny anarany sy ny laharana finday, any amin’ny sefo CISCO rahampitso (22.09.2023) fara-fahatarany. Ka anjaran’ny eo anivon’ny CISCO indray no mandefa ireo “tableaux” avy hatrany any amin’ny ministera (MEN).

Ankoatra ireo delege, dia tsy maintsy manome anarana ray aman-dreny ara-drazana iray koa ireo sefo ZAP, ka ny anarana feno sy laharana finday dia alefa “SMS” fa mbola atao “saisie”.

Araka izany dia tsy miafina intsony ny tetidratsin’ireo fahavalombahoaka ka mila atambatra ny hery satria tsy hilavo lefona mora ireo mpiray tsikombakomba amin’ilay frantsay Andry Rajoelina sy ireo namany mpanitsakitsaka lalàna.

ZAP: Zone d’Administration Pédagogique
CISCO: CIrconscription SCOlaire
MEN: Ministère de l’Eduction Nationale