RY MPITSARA AVO

Lalàm-panorenana no nodikaina,
‘Nareo amin’ny avo no nahavita izany?
Dia inona intsony no mbola antenaina,
Tsy aleo io ravana sy atao « mbay tany »?

Ny zava-tsy mety, nanjary nekena,
Ny tsy ara-dalàna nanjary toa nety.
Mivadika ve ny tontolo jerena
Fa ny omby no lasa tarihin-tsarety?

Vazaha efa niaiky sy tena nitsotra,
Dia mbola lamboina sy arovana foana.
Sa ‘zay ny anareo ilay hoe « miara-mizotra »
Mankany amin’ny lalana feno halotoana?

Dia indro ianareo mbola heno miteny
Sy toa miala bala amina fandaharana,
Nefa tsarovy fa ny toy ireny,
Tsy fihetsiky ny olo-nahita fianarana!

…Ka ny hany teny tsy misy olakolaka:
Aleo miala mora sy manaja tena.
Ny fanalahidinareo efa folaka,
Ka ny mipetraka no fahendrena!

DADAN’i ZINA (20-09-23)