RY KOMITY RY KOMITY !

Mbola mendrika hijoro ve ‘nareo komity ireo
Sa efa tokony hipetraka f’efa tena mankaleo?
Maro iretsy kandidà no efa tena leom-boananana
Raha vao hoe ‘nareo ireo no hikarakara fifidianana!

Ary ny vahoaka koa dia tena tofoka toy izany,
Noho ny ataonareo komity izay toa mitanila hatrany,
Sady zatra mampanjaka ny hala-bato sy ny hosoka,
Ary manana fahaizana amin’ny lisitra vorosoka!

Raha niantso ianao komity ambara ho mahaleotena,
Dia nandà ireo kandidà izay ho filoham-pirenena.
Roa no mba nandefa solony, roa no hany mba nanoina,
Ka mihevera ry komity f’efa tokony hosoloina!

Trangan-javatra toy izany no milaza tato ho ato
F’efa tsy izy anie ‘nareo ka efa tokony haato!
Sa dia mbola hikiry ihany na dia hita fa hijoboka,
Ho fiarovana ilay andry tena lo sy efa boboka?

Rainilainga no manery fa anisan’ny hifaninana,
Ka mitaona anao hizotra ho amin’ny tsy fahamarinana?
Mandiniha ka mihevera, tsaratsara ny miato,
Sao ‘nareo komity indray no hampanjaka ny hala-bato!

IRINA HO TAFITA (19-09-23)