EFA MANGA LO TANTERAKA

Tsy manga masaka intsony f’efa manga lo tanteraka,
Izay no azo ilazana an’itsy fitondrana reraka.
Tena tsy mahita intsony izay haleha sy hivoahana,
Fa manomboka ho jamba sy efa tena lany fahana!

Andramandramana daholo irony fomba mamohehatra,
Dia miteniteny foana raha vao mba mahazo sehatra.
Saingy tazana eny ihany ny tsy fahampian-tsolaitra:
Diso hatrany irony kajy nefa dia miseho ho raitra!

Tsy miery ihany koa ny fomba fividianana olona,
Entina hampandamoka na hampihemotra ny tolona.
Vola hatrany no zaraina, vola hatrany no afafy,
Ananany io fa izy, hono, tompondaka tena mafy!

Saingy misy fetra hatrany na ny vola na ny harena,
Indrindra koa ny fidedahana sy ny fanandratan-tena!
Ny olona tsy hoe adala, ny vahoaka anie tsy pahina,
Tena hainy ny manavaka ny volamena sy varahina!

…Efa feno ny kapoakany, efa feno ny alahelony,
Hany ka dia miezaka izy tsy ho diso fanintelony.
Tena holaviny tanteraka irony loto mitakosina.
Ny porofo? io Rainilainga f’itodihany lamosina!

DADAN’i RIANA (20-09-23)