REHEFA NY BAOMBA

Rehefa ny baomba no avela handidy
Sy asaina mitana ny fanalahidy,
Dia mieritrereta ary koa miomàna
Fa ny asan-devoly no hameno tanàna!

Rehefa ny baomba no asaina hitondra
Sy hamerina indray irony lohan’ampondra,
Dia efa tazano ary aoka hojerena
Ny rindrina hidonan’ity firenena!

Rehefa ny baomba no asandratra ho ngeza
Sy lambolamboina, tolorana seza,
Dia tena hanjaka ny lainga sy fitaka,
Ka miomàna amin’ny ady saritaka!

Rehefa ny baomba no manjaka irery
Satria mihevi-tena ho tompon’ny hery,
Dia aza mba mino hoe hilamina intsony,
Fa tena ho korontana ambany sy ambony!

…Tsy baomba milevina f’efa hita maso,
Napetraky ny lehiben’ny malaso,
Ka mieritrereta àry isika rehetra
Amin’ity baomba apetraka, atao amboletra!

DADAN’i RIANA (10-09-23)