KMMR Atsimondrano – Misokatra amin’ny rehetra ny fidirana ho mpikambana

Rajo

Nambaran’ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny distrikan’ Antananarivo Atsimondrano Alain Ratsimbazafy, fa misokatra ho an’ny rehetra ny biraon’ny KMMR na Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana. Nambarany fa efa misy ny tompon’andraikitra mandray ireo rehetra liana amin’izany eny an-toerana. Nambaran’ity solombavambahoaka ity ihany koa, fa hamafisina ny fototra Tim isam-pokontany sy ny kaominina ary hisy ny fihaonana amin’izy ireo eny ifotony, satria hiatrika fifidianana isika ny 9 Novambra ho avy izao.

Anisan’ny nasiany resaka ihany koa ny tsy tokony ho naneken’ny fitsarana avo momba ny làlampanorenana (HCC) ny fidiran’i Andry Rajoelina ho kandida nefa ninia naka ny zom-pirenena frantsay. Tokony ho nametra-pialana ihany koa ny filohan’ny Antenimerandoholona raha ny nambarany, satria tsy nanaiky hitantana ny fampandehanan -draharaha, nefa mbola filohan’ny Antenimierandoholona ihany. Midika izany hoy izy, fa misy tsindrin’ny fitondram-panjakana ny tsy nandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny fahefana hitantana vonjimaika ny firenena mandrampahatongan’ny filoham-pirenena vaovao.