Andry Rajoelina ninia ho Frantsay – Tokony hametra-pialàna ny HCC hoy ny depiote Todisoa

Rajo

Nanamafy ny solombavambahoaka Todisoa Andriamapandry, fa ho sahirana ny Hcc tamin’ny fampidirana an’i Andry Rajoelina ho kandida iay ninia naka ny zom-pirenena fratsay. Tsy ho afa-maina amin’ny fanapahan-keviny amin’izany ny Hcc hoy izy, ka tokony hametra-pialana satria tsy atokisan’ny vahoaka intsony. Toy izany koa ny Ceni izay tokony handini-tena satria hiatrika fifidianana madio sy mangarahara ny vahoaka malagasy eto amintsika.

Mijoroa ry vahoaka hoy izy satria tsy hanaiky lembenana amin’ny zavatra toy izao intsony isika. Porofon’izany hoy izy ny fivondronan’ireo kandida miisa 10 mitovy hevitra amin’ny fanapahan-kevitry ny Hcc sy ny tsindry samihafa ataon’ity andrim-panjakana ity. Manamafy ny fametraham-pialan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana arak’izany ny solombavambahoaka voafidy tao amin’ny Boriborintany faha-6.