Kandidà Filoha Ravalomanana – Nihaona tamin’ireo Eveka, nihaona tamin’ny vahoakan’i Betafo sy Mandoto

Isambilo

Feno ny fandaharam-potoanan’ny kandidà Filoha Marc Ravalomanana, tany amin’ny faritr’i Vakinankaratra ny faran’ny herinandro teo ary nitohy omaly. Ny alahady teo izy dia tany Antsirabe, nanatrika ny fametrahana tamin’ny toerany ny Eveka vaovaon’Antsirabe Mgr Jean Pascal Andriantsoavina, nataon’ny Fivondronamben’ireo Eveka Katolika eto Madagasikara, tao an-drenivohitr’i Vakinankaratra.

Nandritra izany, nisy ny fihaonan’ny kandidà laharana faha-5 (N°05) tamin’ireo Eveka nandritra io fotoana io. Nasongadin’ny Eveka vaovao, Mgr Jean Pascal Andriantsoavina fa: “Tompo ô, ianao no hitokiako. Andeha hiara-dia, andao hifankatia, handalina ny finoantsika. Ao amin’ny TENIN’ANDRIAMANITRA no misy ny marina, ary ao amin’ny Tenin’Andriamanitra ny fiainana sy ny fahamarinana”. Voaporofo tamin’io fotoana io, fa akaiky ny vahoaka, akaiky ireo sahirana sy mijaly ny Eglizy Katolika.

Omaly kosa, tany Betafo sy tany Mandoto indray ny filoha nasionalin’ny antoko TIM: Tiako i Madagasikara. Nanatrika fampirantiana momba ny vokatra vita Malagasy izy nandritra izany, nihaona tamin’ny vahoaka tao amin’ny renivohitr’ireo distrika 2 ireo koa. Nanazava ny Map Plus ny filoha Marc Ravalomanana tamin’ireo fotoana ireo, nambarany fa: “na dia hamokatra aza ianareo tantsaha ka tsy misy ny làlana hamoahana izany vokatra izany dia tsy ampy ny fanohanana, ka tsy maintsy ezahina ny hanamboatra sy hikojakoja ireny làlana samihafa famoaham-bokatra ireny.”