Mpitondra amin’izao – Tsy manaiky ny heloka hibabohana mody rariny

Andry Tsiavalona

« Ny heloka hibabohana mody rariny » hoy ny fahendrena Malagasy, kanefa tsy miaiky fa tsy manaja sy manitsakitsaka am-paladia ny lalàna velona eto amin’ny Firenena mihitsy ireo mpitondra amin’izao Repoblika IV-2 izao.

Tsy mitsahatra manamarin-tena sy mihantsy ihany koa ny fitondrana, satria minia misarika ny Firenena hivarina any an-kadin’ny krizy eo amin’ny sehatra rehetra. Manampin-tsofina amin’ny fanambarana ataon’ny hery velona rehetra, fa tsy fanarahan-dalàna no nataon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) momba ny nanekeny sy nandraisany ny firotsahan-dRajoelina Andry Nirina, ho anisan’ny mpifaninana amin’ny fifidianana ary tsy nampihàtra avy hatrany, tsy misy fepetra, ny andininy faha-42 ao amin’ny Lalàna momba ny Zom-pirenena. Raha ny nambaran’ny filohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia tsy nijery izay taratasy mety tsy ho ara-dalàna na mety ho hosoka mihitsa aza, fa dia nionona amin’ny isa fotsiny ihany. Araka izany dia fomba fiasan’ity andrimpanjakana ity izany ny tsy mandinika ny votoatin’ny fitoriana na izay taratasy tonga ao aminy, fa rehefa fantany ny antony dia laviny na ambarany fa tsy azo raisina izany.

Raha nanao fanambarana ihany koa ny Andrimason’ny FFKM, ny Alakamisy lasa teo, momba ny tsy fanarahan-dalàna nataon’ny HCC dia namaly bontana ny gazety mpiseho isan’andro mpanohana izao fitondrana izao, fa « ny Fjkm » irery no manao fihantsiana. Misy gazetin’ny mpitondra hafa ihany koa manenjika ireo Mpitondra Fivavahana 4 mirahalahy ireo eo amin’ny matoan-dahatsoratra. Tsy fantatra intsony na mahay ny fomba fiasan’ny FFKM ireo mpanao gazety nanoratra ireo na tsia, satria ny filohan’ny Vaomieran’ny Andrimason’ny FFKM izay Fjkm no sary fanehoana navoakany. Mazava ny tanjona tian’izao fitondrana izao ho tratrarina dia ny hampiady ireo Raiamandreny am-panahy ireo. Tsapa avy amin’ny fihetsiky ny mpitondra, fa tsy manana fomba fiady ankoatry ny « fiarovan-tena » izy hatramin’izay ka hatramin’izao ary rehefa misy tranga manozongozona ny fahefany vao misarangotra amin’ny tsy azo isarangotana intsony sady mamorona izao hatsanga tsy aman’orana rehetra izao. Raha mitady fifidianana madio, mangarahara, eken’ny rehetra sy mikatsaka ny tsy hisian’ny korontana izao fitondrana izao dia mamerina ny toeran’ny filoham-panjakana amin’ny filohan’ny Antenimierandoholona ary manala an-dRajoelina Andry Nirina tsy ho anisan’ny kandidà intsony.

Tsapan’ny rehetra ihany koa, fa mifanohitra amin’izay nolazainy tamin’ny mpanao gazety nanontany azy tamin’ny fankalazana ny fetim-pirenena frantsay, ny 14 Jolay 2023, Razafimahefa Herimanana, fa handray ny toeran’ny filoham-panjakana izy rehefa hametra-pialàna ny filohan’ny Repoblika (araka ny vaorakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana), satria niamboho adidy izy ka niala bala fa tsy vitany izany. Ny mahagaga anefa dia nanamafy tamin’ny alàlan’ny fiantsoana mpanao gazetin’ny TV Plus ny fialany bala izy taorian’ny fihaonany tamin’ireo kandidà folo. Tsy mampino iny tranga iny satria nahoana no tamin’iny fotoana iny ary efa maro ny fanerena sy fampitahorana nataon-dRajoelina Andry Nirina tamin’ny tomponandraikitra hanao fanambarana mifanohitra amin’ny finiavany sy ny fisainany ary tsy azo hadinoina amin’izany ny nanjo ireo depiote sy ny filohan’ny Antenimierampirenena taorian’ilay fitsipaham-pitokisana ny Praiminisitra. Rehefa tsy azony amin’izany dia namoronana dosie, nosamborina ary raha tsy nampidirina am-ponja dia nomena sazy mihantona mba hikombom-bava toy ny vadin’i Malama izay tsy re feo intsony.

Na izany na tsy izany dia tsy hisy Malagasy mitonona ho tia ity Tanindrazana ity hanaiky vazaha frantsay hitantana ny Firenena Malagasy. Vazaha frantsay Rajoelina Andry Nirina ary nanompo an’i Lafrantsa efa ho 10 taona izao, ka izay gasy misisika amin’ny fiverenany eo amin’ny fitondrana dia mpamadika, tsy ny Tanindrazana ihany fa mpamadika ny Malagasy ka hangatahina hanara-dia azy any Lafrantsa amin’ny fotoana tsy maintsy hiondranany any.