Fanehoan-kevitra amin’ny onjampeo – Allo MBS, isa-maraina amin’ny 7 ora ka hatramin’ny 9 ora

Isambilo

Misokatra amin’ny mpihaino rehetra tsy ankanavaka ny onjampeon’ny Radio MBS: Malagasy Broadcasting System. Misy ny fandaharana natao ho an’ny mpihaino amin’io fotoana io ao amin’ity onjampeo tsy miankina ity: Allo MBS, fandaharana hidirana mivantana ao amin’ny onjam-peo FM: 95.4 Mhz, isa-maraina manomboka ny alatsinainy ka hatramin’ny sabotsy amin’ny 7ora ka hatramin’ny 9ora: hitafanao sy hanehoanao ny hevitrao mikasika ny raharaham-pirenena ankehitriny, na koa mampita vaovao misy any amintsika isaky ny fokontany, kaominina, distrika sy ny faritra maro manerana ny Nosy toy ny any Bongolava, Morondava Menabe, Toliary Atsimo Andrefana, Toamasina faritra Atsinanana, Fianarantsoa faritra Matsiatra Ambony, Antsirabe faritra Vakinankaratra,…) ny laharana ahafahanao miditra mivantana miresaka dia ny 034 40 386 54, 033 71 808 48, 032 92 323 58.

Angaredona

Fandaharana amin’ny haino aman-jery izay ihany, hisy anio ny fandaharana Angaredona hiarahana Radio sy televiziona mampita miaraka fandaharana sy fanehoan-kevitra, handray anjara amin’izany ny MBS Radio/TV – KOLO TV/Radio – DREAM’IN TV/ Radio – IBC Tv – La 7 Tv – AZ Radio/facebook – TOP Radio. Fandaharana hifandrombonan’ireo depiote maro avy amin’ny fanoherana, izany dia hanomboka amin’ny 09 ora maraina ka hatramin’ny 5 ora hariva.