HO ANAREO RY VONGAN’OLONA

Toa mangina ianao mpitsara sy ianao mpahay lalàna,
Manoloana ity karazam-panonganam-panjakana?
Tena tsy ahitana teny fa voasisi-bola angaha
No dia nanaiky ny hadalan’ity tsy gasy fa vazaha?

Dia tena toy izany koa ny fihetsikao nandia fianarana,
Manoloana irony tsindry nolaroina hasomparana
Izay ataon’ireo mpitondra tsisy henatra intsony,
Fa manao izay tiany hatao sy izay rehetra sitrapony?

Ary ianao foloalindahy izay tsara tanjona kendrena
Sady mba nokilasiana ho tandroky ny firenena,
O ! nahoana no tsy mihetsika fa dia toy ny tsangambato,
Ka dia efa very hasina raha ny tranga tato ho ato?

…Ianareo rehetra ireo dia mbola toa milamin-tsaina,
Fa dia ny vahoaka ihany no ampangaina ho be taraina?
Dia tsy mihetsika mihitsy mba hitondra fivoarana,
Fa dia faly ny hiletra ireo haren-tsy nisasarana?

Ny vahoaka maro an’isa miaina anaty fahantrana,
Ireo dia ireo ihany sisa no hitaky fanovana?
Ireo no hany ianteherana mba hanetsika ny tolona,
F’ianareo izay voatanisa dia efa tena vongan’olona?

TSIMIMALO (14-09-23)