HITSOAKA DAHOLO ?

Nahoana, nahoana ianareo no nitsoaka
Sa efa halohalika ny ranombary,
Ka tena matahotra tsy ho tafavoaka
Amin’ity hevi-diso sy tena fanary?

Raha mafy ianareo, aza misy milefa
Fa eto no kianja izay efa namboarina.
Ovay koa ny tetika mirefarefa,
Fanaon’ny mpangalatra sy ny tsy marina!

Aza any ivelany no mihorakoraka
Toy irony sahona miandry maraina.
Matahotra mafy sa efa mivoraka
Ka any andafy no makamaka aina?

Nilaozana izany ny toerana ambony?
Dia inona anefa no zava-kendrena?
Ny mety dia aza miverina intsony
Fa atakalozy ny zom-pirenena!

…Nahoana, nahoana ianareo no nitsoaka?
Moa tsy efa midika ho faharesena?
Tsy ho zakanareo ny alahelom-bahoaka
Ry olo-namotika ity firenena!

TSIMIMALO (15-09-23)