TSY TAFA INTSONY IANAO BOAIKELY

Tsy tafa intsony ianao boaikely n’inona n’inona holazaina,
Na hanomana moto sy miliara hozaraina.
Fa horaisinay ny saosy dia avy eo ‘zahay hisidina,
Ary aleo ianao hangaina ry mpanao lohan’angidina!

Tsy tafa intsony ianao boaikely n’inona n’inona holazaina,
Na dia marobe ny tetika izay kasainao hampiasaina.
Na voavidinao daholo ireo mpitsara ery ambony,
Tsy izany no hamafa irony lotonao intsony!

Tsy tafa intsony ianao boaikely n’inona n’inona holazaina,
Na fenoinao miaramila ny arabe sy zaridaina.
Tsy izany velively, tsy izany no hanakana
Ireto tongotray vahoaka efa tena mby an-dakana!

Tsy tafa intsony ianao boaikely n’inona n’inona holazaina,
F’efa leo ‘zahay vahoaka sady efa tonga saina,
Ka tsy mila anao vazaha mpandainga sy mpihetraketraka,
Fa ny teninay dia tsotra: ampy izay, andeha mipetraka!

TSIMIMALO (09-09-23)