TENA LASA TSY HIVERINA ?

Aiza ianao re Rainilainga no nandositra sahady,
Sa dia tena mihorohoro f’efa toa ho resy an’ady?
Very ny fanantenana, tsisy intsony ny herijika
Hahafahana mandresy sy mamorom-pikafika?

Aiza ianao re Rainilainga no nandeha nitsaitsaika?
Hadino ny nanao veloma f’efa dodona sy maika?
Marobe ireo akama no indro fa nangasihasy,
Fa voafitakao indray ry ilay vazaha taratasy!

Aiza ianao re Rainilainga, mafy loatra angaha ny dona?
Ahoana hoy ireo mpitsara sy iretsy be galona?
Tsy afaka hiroso intsony, hany hery dia niato,
F’efa tena tapi-dalana toa sokina nanani-bato?

Aiza ianao re Rainilainga, aleo ny sarinao endahina,
F’efa tofoka sy leo ireo vahoaka nofitahina.
Zory re ny lalanao ry ilay nandrava sy namitaka,
Fa ny fandehananao dia mahatonga anay hibitaka!

IRINA HO TAFITA (15-09-23)