Rado Ramparaoelina – Baikon’ny vola ny feon’ny fieritreretan’ny ao amin’ny HCC

Franck Razakambelo

Betsaka ireo mpahay lalàna ambony mbola voabaikon’ny vola ary hita taratra tao anatin’ny fankatoavan’ny mpikambana ao anivon’ny Fitsarana avo momban’ny Lalam-panorenana (HCC) ny firotsahan-kofidiana ho filoham-pirenena an’i Andry Rajoelina, izay manana zom-pirenena Frantrsay feno hoy Andriamatoa Ramparaoelina Rado Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika Antananarivo Atsimondrano.

Nanohy fanazavana ity olom-boafidy ity, fa tokony ho sokafan’ny fitsarana avo momban’ny Lalam-panorenana ho an’ny zom-pirenena vahiny hafa rehetra ny fahazoan-dalana mirotsaka ho filoham-pirenena eto Madagasikara manomboka izao raha ny zava-doza nataon’izy ireo momba an-dRajoelina: Komorianina; Arabo; Tatsinana;Tandrefana … ary tsinontsinona ny nahafatesan’ireo razana izay nitolona ho fanafahana an’i Madagasikara fahiny nohon’ny fitiavana tanindrazany tamin’ny faneken’ny Hcc ny filatsahan-kofidian’i Andry rajoelina.

Manoloana ny fanambarana filatsahan-kofidiana nataon’i Andry Rajoelina ny herinandro teo, nanambara ny Ben’ny tanànan’ny Kaominina Ampitatafika, fa tsy mahasolo-tena ny vahoaka eny ifotony ny fanotronan’ireo Ben’ny tanàna miisa 1300 satria afaka mivadibadika loko politika ireto farany, izay mandiso tanteraka ny safidim-bahoaka ary mba hiarovany ny tenany manoloana ny zava-misy dia tonga manotrona ny Ben’ny tanàna.

Nanohy fanazavana Andriamatoa Ramparaoelina Rado, fa tsy mahasolo-tena ny vahoaka ny Ben’ny tanàna satria maro ireo biraom-pifidianana tsy nahalany an’ireto farany ary raha ny Kaominina Ampitatafika no resahana nandritra ny fifidianana Kaominaly farany teo dia biraom-pifidianana miisa 18 amin’ny 50 no tsy nahalany an’ny kandida Ramparaoelina Rado. Fotoana tokony hijeren’ny mpitondra ny tena hetahetan’ny vahoaka izao vanim-potoana izao ary tokony hifanaraka amin’ny kajy « Mathématique » ny fandikana ny lalam-panorenana, fa tsy ampanarahina ny tombontsoan’ny olom-bitsy fotsiny, fa manimba ny ho avin’ny mpiray tanindrazana izany hoy ity olom-boafidy ity.