KMMR Miarinarivo sy Soavinandriana – Manamafy ny firaisankina hitondra amin’ny fandresena

Isambilo

Tafajoro any amin’ny distrikan’i Miarinarivo sy Soavinandriana any amin’ny faritr’Itasy amin’izao fotoana ny KMMR: Komity Manohana ny Filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana, tonga tany an-toerana nanetsika izany Andriamatoa Kevin Ratrimoarison ny alahady teo. Nasongadiny nandritra ny fihaonana tamin’ireo mpitarika tany amin’ny faritr’i Mamolakazo sy Mandridrano iny, fa ny fanamafisana ny firaisankina no hitondra amin’ny fandresena dia ny fampandresena ny kandidà amin’ny fifidianana ho avy dia ny filoha Marc Ravalomanana. Nohamafisiny fa misokatra amin’ny olon-drehetra tsy anavahana ny KMMR: na fiarahamonim-pirenena io, na fikambanana, na mpanao politika, misokatra amin’ny finoana samihafa, ny olon-drehetra tsy ankanavaka koa,…

Nahatonga solontena tamin’ny fihaonana avokoa ny mpitarika avy amin’ny kaominina miisa 16 any Soavinandriana, sy ny avy amin’ny kaominina miisa 14 any Miarinarivo. Mijoro any Soavinandriana ny KMMR, tarihan’ny filohany Razafy Andriampenovola Mana, na Manankiry Razafy. Nilaza ity filohan’ny KMMR any Mandridrano ity, fa tsy hanaiky hala-bato intsony izy ireo ary tena vonona hiaro ny tena safidim-bahoaka amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika ho avy io.

Tao amin’ny renivohitry ny faritra Mamolakazo kosa indray, niara-nidinika ny paikady ho fampandresena ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fanentanana ny rehetra handray anjara amin’ny fifidianana ny avy amin’ny KMMR Miarinarivo, sy Andriamatoa Kevin Ratrimoarison. Nahatonga solontena tamin’izao fihaonana izao avokoa ny avy amin’ny kaominina 14 any amin’ity distrika ity. Na tany Soavinandriana, na tany Miarinarivo, samy niantso ny filoha Marc Ravalomanana hitsidika ny any amin’izy ireo izy ireo.