Mahitsy. Filoha Ravalomanana – Miverina amin’ny vahoaka ny fahefana nanomboka ny sabotsy teo

Isambilo

Nihaona tamin’ny vahoakan’i Mahitsy distrikan’Ambohidratrimo ny filoha Marc Ravalomanana ny sabotsy 9 septambra lasa teo, fotoana nametrahan’ny filoha Andry Rajoelina fialana. Toy ny fanaony amin’ny fitsidihana ny toerana izay alehany, niantsena tao an-tsenan’i Mahitsy aloha izy ny mpiara-dia aminy, satria tsenan’i Mahitsy ny sabotsy teo. Tao aorain’izany dia nihaona tamin’ny vahoakan’i Mahitsy tao amina Espace iray tany an-toerana ny tenany. Nambarany nandritra izany fa :’’miverina aminy vahoaka ny fahefana manomboka anio. Mila Mahitsy isika, ka izany no nandehanako eto Mahitsy androany sabotsy.’’ Nanazava ny MAP PLUS koa izy nandritra io fotoana io. Ireo laharampahamehana hoy ny Filoha Marc RAVALOMANANA araka ny laharana avy.

Voalohany : sakafo ho an’ny vahoaka Malagasy rehetra. Faha-2 : asa ho an’ny tanora Malagasy. Faha3 : fanarenana ny JIRAMA. Faha-4 : fandriampahalemana eto Madagasikara. Faha-5 : fanalefahana ny fidangan’ny vidimpiainana eto amintsika. Faha-6 : ady amin’ny tsy fahasalamana. Faha-7 : fianarana ho an’ny zaza Malagasy. Faha-8 : famerenana ny firaisankinam-pirenena sy fanatsarana ny politika : FAMOAHANA IREO GADRA POLITIKA REHETRA eto Madagasikara.