Fifidianana filohampirenena – Ao tsara : ‘’cinq-cinq’’. Numéro 5 : laharana faha-5 amin’ny biletà tokana ny filoha Ravalomanana

Isambilo

Nivoaka omaly, teny amin’ny foiben-toeran’ny CENI: Vaomieram-pirenena Mahaleotena Misahana ny Fifidianana, ny antsapaka amin’ny filaharan’ireo kandidà ho filohampirenena miisa 13, amin’ny fifidianana hatao eto amintsika ny 9 novambra ho avy izao.

Numéro 5, na laharana faha-5 ny filoha Marc Ravalomanana, kandidà hatolotry ny antoko TIM : Tiako i Madagasikara amin’io fifidianana ho avy io. Tena « cinq-cinq : 5/5 » na tena ao tsara, io laharan’ny filoha Ravalomanana amin’ny biletà tokana io, hoy ny maro. Be no miroaroa saina mahakasika ity fifidianana ity, manome toky ny antoko TIM araka ny andalan-tSoratra Masina ao amin’i Marka fa : Marka 5 : 36 b :’’ Aza matahotra minoa fotsiny ihany.’’

Na inona fandemen-tsaina, na inona filazana ataon’ireo mbola tsy mankasitraka ny anatanterahana izao fifidianana izao, efa vonona hatramin’ny ela ny antoko TIM sy ny filoha Marc Ravalomanana. Mitohy ny asa efa natomboka ho amin’izany ho an’ny ao amin’ity antoko ity, sy ny ao amin’ny KMMR : Komity Manohana an’i Marc Ravalomanana : vovonana ivondronan’ny rehetra tsy anavahana amin’ny fampandresena ny kandidà N°05.

Toy izao kosa ny filaharan’ireo kandidà rehetra amin’ny biletà tokana :
1.Razafinjoelina Tahina. FTT : Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana.
2.Andrianainarivelo Hajo. MMM : Malagasy Miara Miaingfa.
3.Rajoelina Andry Nirina. TGV : Tanora malaGasy Vonona.
4.Ratsiraka Roland. MTS : Malagasy Tonga Saina.
5.Ravalomanana Marc. TIM : Tiako i Madagasikara.
6.Paraina Auguste. TT : Tsara Tahafina.
7.Raobelina Andry. Anjomara sy Rivo-Baovao.
8.Razafitsiandraofa Brunelle. APM : Antoko Politika Madio.
9.Ratsirahonana Lalaina. Antoko Fihavanantsika ‘’An’i Kristy’’.
10.Rajaonarimampianina Hery. HVM : Hery Vaovaon’i Madagasikara.
11.Raderanirina Sendrison. Fy- M.
12.Ratsietison Jean Jacques. FMI- Ma : Fahefa-Mividy no Ilain’ny Malagasy.
13.Randrianasoloniaiko Siteny. Fitambolagnela- PSD- RPSD Vaovao- ABA- Parrainage de 150 élus.