Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana (HMF) – Hamerina ny fijoroana amin’ny fahamarinana

Nangonin’Isambilo

Manoloana ny toe-draharaha eto amin’ny firenena amin’izao fotoana, milaza ny HMF (Hetsiky ny Mpitondra Fivavahana) fa: “ny HMF dia nitsangana noho ny toe draharaha teto amin’ny firenena, ny volana oktobra 2009. Nijoro isika noho ny antony roa mazava tsara: nokitihan’ireo mpanongam-panjakana ny fiangonana, nanaovana herisetra tsy roa aman-tany ny filohan’ny Fjkm ary norobaina ny fananan’ny fiangonana, notsiratsiraina teo amin’ny 13 mey ny vavaka sy ny Soratra Masina …

Faharoa: nampijaliana ny vahoaka ka nanaovana herisetra, marobe ny maty, izay notondroina molotra fa mpomba ny fitondrana nahongana dia nosamborina sy nosetrasetraina… DIA NITSANGANA ISIKA ary hevitra nampijoro antsika rehetra ny famerenana sy ny fijoroana amin’ny FAHAMARINANA… Nenjehina isika fa noho ny fanambinana hita maso avy tamin’i JESOA KRISTY TOMPONTSIKA dia marobe ny vahoaka Malagasy nanaraka ny HMF, hatramin’ny vahiny avy any ivelany sy ireo masoivohon’ireo firenen-dehibe, nangataka hihaona sy hiresaka tamintsika, sns…

Miharihary ary niainan’ny vahoaka efa 10 taona mahery izao ny fahantrana sy ny fampahantrana ary ary tsy mamorona isika, fa miara miaiky izany ny maro an’isa afa tsy ireo tsy maty manota manao izay danin’ny kibony ihany ary voaporofo izao, fa manao ny tetika rehetra hanohizana izany. Ny manahirana dia mangina sy toa miray petsapetsa aza ireo izay tokony hiteny ka ny vato ve no andrasana hiantsoantso? Mitsangana ka vonjeo ny taninao! Atambaro indray ny hery. Tsy hangina noho ny amin’i Ziona ary tsy mitsaha miteny aho noho ny amin’i Jerosalema mandra-piposaky ny fahamarinany… Isaia 62,1.”

Arak’izany, hijoro hiady amin’ny tsy fahamarinana, mety ho ataon-dry Rajoelina sy ny forongony indray, ny HMF amin’izao hiatrehantsika fifidianana, kihon-dalana hanilihana ny tsy fahamarinana sy ny asan’ny maizina izao…