Filoha Ravalomanana Firaisankinam-pirenena, fanavotana an’i Madagasikara ny MAP Plus

Isambilo

Fanavotana an’i Madagasikara ny MAP Plus hoy ny filoha Marc Ravalomanana filoha nasionalin’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM). Nambarany fa: “nifampizara ireo VINA na VISION ao anatin’ny MAP PLUS isika kanefa raha tiantsika ny hanatrarana ireo TANJONA ireo dia izao no lalan-kizorantsika rehetra: ho kolokolointsika sy ho arovantsika ny TONTOLO IAINANA. Homentsika lanja manokana ny FANANANTSIKA KOLONTSAINA sy FOMBA NENTIM-PAHARAZANA MARO samihafa. Hirehareha amin’ny MAHA MALAGASY antsika isika, hitambatra ho iray anatin’ny FIRAISANKINAM-PIRENENA. HIASA HIARAKA isika satria FIRENENA IRAY.”

Ankoatra izany, milaza ihany koa izy fa: “miompana tanteraka amin’ny fijerena akaiky sy haingana ny OLONA manontolo sy ny MAHA-OLONA manontolo ny paikady sy ireo tetikasa rehetra ao anatin’ny MAP PLUS. Tsy misy FIRENENA mandroso mantsy raha toa ka tsy manana ny HASINY, ny HAJANY ary ny MAHA-IZY AZY ny OLOM-PIRENENA ao aminy, na eo amin’ny lafiny ara-pivelomana izany, na eo amin’ny lafiny famokarana, na eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana, na eo amin’ny lafiny fanabeazana, fa indrindra eo amin’ny andavanandrom-piainany manontolo. Manangana FOTOKARENA na CAPITAL ho an’ny FIRENENTSIKA ny MAP PLUS ary laharam-pahamehana ho antsika ny FOTOKARENA MAHA OLONA na CAPITAL HUMAIN.”

Ny tanjona amin’ity vinam-piarahamonina ity, ho lasa Firenena miroborobo i Madagasikara, hanana toekarena misondrotra haingana i Madagasikara, hahita fahombiazana amin’ny fifaninanana eo anivon’ny tsena iraisam-pirenena ny firenentsika.