Olom-pirenena tsotra Rajoelina manomboka anio

Andry Tsiavalona

Rehefa avy nanambara tao amin’ny Palais des Sports Mahamasina fa kandidà Rajoelina Andry Nirina dia nametraka ny taratasy firotsahany ho fidiana tao amin’ny Fitsarana Avo momba Lalàmpanorenana (HCC), ny nomeny fahefana amin’izany ka noraisin’ity andrim-panjakana ity satria, angamba, feno sady azo noraisina izany. Raha ny voarakitra ao anaty Lalàmpanorenana anefa dia raha vao manambara ny maha kandidà azy ny filohan’ny Repoblika am-perinasa dia manala ny tenany amin’izany andraikitra izany ka miverina ho olompirenena tsotra (frantsay raha Rajoelina Andry Nirina amin’izao fotoana izao).

Mitombona izany ny sihosihon-dresaka nilaza fa nosoniavin’ny minisitry ny Fitsarana ny taratasy milaza ny fananan-dRajoelina Andry Nirina ny zom-pirenena Malagasy (Certificat de Nationalité). Heverina fa efa fantatry ny ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana ny fisin’izany toe-javatra izany, ka tsy tokony noraisiny ny firotsahan-dRajoelina Andry Nirina satria raha amin’ny famoahana ny lisitr’ireo azo ekena ho kandidà vao hanambara ny ao amin’ity Andrim-panjakana ity fa « Tsy Gasy fa Vazaha izy » ka tsy ho anisan’ny mpifaninana. Efa tsy ara-dalàna izany ka raha mbola hitohy ihany ny bontolo dia azo inoana fa hizotra any amin’ny famerenana ny fahefana ho eo am-pelatanan’ ny vahoaka Malagasy nampindrana izany tamin-dRajoelina Andry Nirina vazaha.

Efa tsy tambo isaina intsony ny fanitsakitsahan-dalàna sy ny tsy fiarovana ny fiandrianam-pirenena nataon’izao fitondrana izao, feno ny kapoaka satria mandady amin’ny tany ny Malagasy vokatr’izany. Anio sabotsy 09 septambra 2023 ny « teboka tsy azo iverenana intsony » (point de non retour) ka azo inoana fa hitroatra ny Malagasy ary hiredareda ao am-pony indray ny fitiavana ity Tanindrazana ity ary tsy hanaiky ho zanahana olona frantsay iray indray. Toy ireo mpamadika sy nivarotra an’i Madagasikara tamin’ny mpanjanaka ny taona 1947 ireo mbola minia mikimpy ary mivarotra sy mamadika indray ity Nosy ity sy ny Malagasy, ka manohana sy mandrisika ny frantsay ho fidiana indray. Tsapa avy amin’ny fahitana ny fihetsiky ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana dia heverina fa tsy vahaolana ny fisintonana ny antontan-taratasy firotsahan’ireo kandidà 8 nanao fanambarana satria mbola loza no hitranga raha hambaran’ny HCC fa azo ekena ny firotsahan-dRajoelina Andry Nirina.

Araka izany dia ho fantatra anio izay ho lazain’ny HCC ary inoana fa tsy handrarak’ilo mby an-doha ny Malagasy tena tia tsy misy fepetra ity Nosy ity, ka hanohitra izany amin’ny fomba rehetra ary hiandry sy hanaraka izay toromarika homen’ireo kandidà tsy manaiky vazaha hitondra ny Firenena Malagasy izany. Inoana ihany koa fa tsy ny eto an-drenivohitra ihany no hanohitra izany fa ny any amin’ny Faritra rehetra izay nofitahin-dRajoelina Andry Nirina rehetra, ka tsy ho latsa-danja noho izay ataon’ny Malagasy any Frantsa amin’ity andro ity. Niaraha-niaina ny zava-doza novolen-dRajoelina Andry Nirina teto amin’ity Firenena Malagasy ity. Nanjanaka nandritra ny enimpolo taona teto Madagasikara i Lafrantsa kanefa niaina ara-dalàna ihany ny Malagasy ary maro ny fotodrafitrasa napetrany na dia nanana endrim-panandevozana tamin’ny alàlan’ny “Smotig” aza ny nanatanterahana izany. Tato anatin’ny folo taona naha teo amin’ny fitondran-dRajoelina Andry Nirina kosa dia fanandevozana niaro fandrobàna ny harem-pirenena sy famitahana ny Malagasy ary fanitsahana am-paladia ny Fiandrianam-pirenena no nasetriny ny fampindraman’ny Malagasy azy ny fahefana. Tsy maintsy hesorina eny amin-dRajoelina Andry Nirina sy ireo tandapa izany fahefana nampindramina azy ireo izany, satria toy ny horirika namonosan-kena izy ireo ka ny fonosin-do, ny mamono lo rahateo.