Rajoelina ninia naka zom-pirenena Frantsay – Nitory eny amin’ny HCC i Hajo sy ny HVM

Ny Valosoa

Tantara mitohy ny mahakasika ny firotsahan-kofidian’ny filoha Andry Rajoelina, sy izy ninia naka zom-pirenena Frantsay ka maha very ny fizakany ny zom-pirenena Malagasy. Noho izay antony izay, sy noho izao ho fiatrehana fifidianana izao. Nametraka fitoriana teny amin’ny HCC, Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenana ny kandidan’ny MMM, Hajo Andrianainarivelo omaly, satria manitsakitsaka ny lalàna velona ny mbola hilatsahan’Andriamatoa Andry Rajoelina ho fidiana. Toy izany koa, mangataka ny fanafoanana ny firotsahan-kofidian’i Andry RAJOELINA teny amin’ny HCC koa ny avy amin’ny antoko HVM. Namafisin’ny HVM fa tsy mahafeno ny fepetra takian’ny lalàna ity kandidà ity.