Imerintsiatosika. Filoha Ravalomanana – Omen-danja koa ny kolontsaina sy ny fomba nentim-paharazana

Isambilo

Nihaona sy nitafa mivantana tamin’ny vahoaka tany Talata Volonondry Antananarivo Avaradrano, sy tany Imerintsiatosika distrikan’Arivonimamo omaly sy afak’omaly ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM. Toy ny fanaony dia tany an-tsena, no nisy izay fihaonana teo amin’ny tia sy ny manina izay. Nambarany tamin’izany fa: “amin’ny maha FIRENENA IRAY an’i MADAGASIKARA, dia homentsika lanja manokana ny fananantsika KOLONTSAINA sy FOMBA NENTI-PAHARAZANA maro samihafa. Hirehareha amin’ny maha Malagasy antsika isika. Hitambatra ho iray ao anatin’ny firaisakinam-pirenena, ary hiasa miaraka mba hanatrarana ny tanjona apetraka.”

Ny talata teo, tany Talata Volonondry, nilaza ny filoha Marc Ravalomanana fa: ” tsy maintsy atao izay hanampiana anareo TANTSAHA REHETRA manerana an’i Madagasikara, amin’ny fanamorana ny fahazoana ny ZEZIKA, ny MASOMBOLY, ny fanarenana sy fanamboarana LAKAN-DRANO izay manondraka ny tanimbary sy ny tanimboly, satria izany rehetra izany no miantoka ny FAMOKARANA ho an’i Madagasikara. Rehefa manana VOKATRA manana KALITAO ny MALAGASY dia tanteraka ireo VISION na vina ao amin’ny MAP PLUS dia ireto avy izany: ho lasa FIRENENA MIROBOROBO i MADAGASIKARA; hanana TOEKARENA misondrotra haingana i MADAGASIKARA; hahita FAHOMBIAZANA amin’ny FIFANINANANA eo anivon’ny TSENA IRAISAM-PIRENENA i MADAGASIKARA.’’