Fiarahana amin’ny Filoha Ravalomanana – Tsimialonjafy, ho an’ny rehetra tsy ankanavaka ny KMMR

Isambilo

Mandeha ny fananganana KMMR: Komity Manohana ny Filoha Marc Ravalomanana, amin’izao fotoana izao manerana ny Nosy. Tsy ho vitan’ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) irery ny ho fampandaniana ny filoha Marc Ravalomanana amin’ny fifidianana ho avy io, izay no mahatonga indray ny fananganana ny KMMR, vovonana hivondronan’ireo resy lahatra rehetra amin’ny filoha nasionalin’ny TIM, fa hany tokana tena ho afaka hanavotra ny firenena sy ny vahoaka Malagasy amin’izao krizy lalina mahazo azy izao.

Ny KMMR dia tsy ny TIM ihany no ao anatiny, fa ao koa ireo fikambanana sy antoko politika hafa, ny avy amin’ny fiarahamonim-pirenena, eny hatramin’ny olon-tsotra tsy ankanavaka, afaka miditra ao anatin’izany. Manatanteraka ny fampijoroana azy manerana ny Nosy ankehitriny, ireo olom-boafidy TIM: depiote, ben’ny tanàna, mpanolotsainan’ny kaominina, ny Reg-TIM, ny Dis-TIM, ny Com-TIM, sy ny olona rehetra ivelan’ny rafitra TIM, tsimialonjafy misokatra amin’ny rehetra ny rafitra KMMR.

Teny filamatra ao anatiny ny hoe: sahia manarina, raiso ny andraikitra, miomàna hifidy. Nambaran’ireo mpitarika fa: sahia manarina satria potika ny firenena, mahantra ny vahoaka Malagasy, fotoana izao hananganana. Raiso ny andraikitra satria hanangana firenena vanona. Atomboka amin’ny fanaraha-maso ny zotram-pifidianana manontolo izany. Miomàna hifidy ny 9 novambra 2023, entano ny olom-pirenena rehetra hifidy, hoy ihany ny KMMR.