Miala Rajoelina. J- 2 – Mampahantra vahoaka, sy managisitra firenena

Andry Tsiavalona

Tapitra omaly 06 septambra 2023 tamin’ny 6 ora hariva ny fandrotsahana ny antontan-taratsy firotsahana ho kandidà Filoham-pirenena eto Madagasikara. Araka ny vaovao ofisialy navoakan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) dia roapolo (20) mahery ny kandidà efa nametraka izany omaly.

Araka ny vaovao navoakan’ireo gazety an-tsoratra, na mpomba na tsy mpomba ny fitondrana, nivoaka omaly dia efa nanosika an-dRajoelina Andry Nirina hirotsaka ihany koa ny kongresin’ny antokony ny talata 05 septambra. Niantso vahoaka indray Rajoelina Andry Nirina sy ny mpomba azy teny amin’ny Palais des Sports. Ny hita teny amin’ny manodidina ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana, ankoatry ny teny anoloan’ny Lapan’ny Tanànan’Antananarivo sy teny Ambohijatovo, dia rakotra zandary sy miaramila. Nanambara izany fa nanatitra ny firotsahany tokoa Rajoelina Andry Nirina, kanefa tsy mbola teny Ambohidahy izy tamin’ny fotoana nanoratana, raha ny vaovao farany dia olona hafa no nanatitra ny dosie-ny teny Ambohidahy.

Tsy izany no olana fa matoa izy sahy dia nisy nanao sonia ilay taratasy manambara ny maha gasy (certificat de nationalité) azy. Raha ny tranga hita sy voamarika dia azo heverina fa ny minisitry ny Fitsarana no nanao izany, satria dia nampitomboina izay tsy izy ny mpiambina azy. Raha izay tokoa ny zava-misy dia mampanontany tena fa toa ireo loharano nipoirana ao amin’ny fitondrana ao no tena tsy mihevitra ny ho avin’ireo taranany sy minia mikimpy eo anoloan’ireo zoky ray aman-dreny namoy ny ainy (Jiny, Menalamba, VVS, sns,…) noho ny ady natrehin’izy ireo ho an’ny fahaleovantena, no hamela ny Firenena ho entin’ny vazaha frantsay mpanjanaka indray. Tsy maintsy ho ao an-tsaina mandrakariva anefa fa efa nanao Antso avo ny eo anivon’ny Fivondronan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara (FFKM) ny tsy maintsy hanaovana fikaonandohan’ny Malagasy hialàna amin’ny mety ady an-trano sy fifamonoan’ny mpiray tanindrazana noho ny resaka fifidianana. Heloka eo anatrehan’ny Firenena sy ny Malagasy iray manontolo ny fanomezana izany taratasy maha Malagasy izany, izay midika ho famadihana tanindrazana ihany koa, ka mba manohy ny fanambaran’ny FFKM ary manao hoe araka ny Soratra Masina: “Andriamanitra mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka sy ny taranaka arivo mandimby.”

Na izany na tsy izany tsy azo hadinoina fa ny tena tia tanindrazana manohitra ihany koa, amin’ny heriny rehetra, ny hitantanan’ny olon’ny nanjanaka ny Firenena Malagasy, nandritra ny enimpolo taona mahery, dia hijoro tsy hanan-tahotra ka hanapotika izany fikasan-dratsy izany. Mbola ho fahotàna mahafaty hataon-dRajoelina Andry Nirina ihany koa raha hanao tsindry amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana izy, mba handray ny antontan-taratasiny satria tsy tambo isaina intsony ny fanitsakitsahana lalàna ataony. Soa ihany fa 2 andro: J-2 sisa dia hiala ity filoha mampahantra vahoaka sy managisitra firenena ity, satria tena faraidiny ny vahoaka ankehitriny ary mitana ny rambony maneran-tany ny firenena Malagasy, noho ny tsy fahaiza-mitantan’ny fitondrana Rajoelina ity.

Ankoatra izany, loza mitatao eo ambony lohan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana sy ho an’ny Firenena raha manambara ity andrim-panjakana ity, fa “azo raisina sady mitombona” ny firotsahan-dRajoelina Andry Nirina. Raha izay no toe-draharaha dia ny 09 septambra 2023 no tsy maintsy hametra-pialàna amin’ny maha filohan’ny Repoblika azy Rajoelina Andry Nirina, koa satria olom-pirenena frantsay tsotra izy no mipetraka eto Madagasikara dia ara-dalàna raha tsy maintsy hangataka fahazoan-dàlana (visa) izy amin’izany. Fahotana mahafaty sady fanitsakitsahana ny Fiandrianam-pirenena ihany koa no hataon’ny foloalindahy raha mbola hiaro an-dRajoelina Andry Nirina toy ny teo aloha. Tsapa mantsy fa zary lasa “gardes indigènes” toy ireo sonegaly nahazo baiko tamin’ny mpanjanaka ireo zandary nandritra ny fitondrana Rajoelina Andry Nirina, tamin’ny tetezamita sy amin’izao fifaranan’ny fanjakany izao. Hoy ny Fahendrena Malagasy: “Ny hendry mody voky, fa ny adala manesika ihany”.