EDITO 7 Septambra – Andro faramparany – Mioty ny paiso an-kady ny mpitandro filaminana

Ny Valosoa

Mioty ny paiso an-kady faramparany ny mpitandro filaminana amin’izao andro faramparany itondran’ny filoha Andry Rajoelina izao dia milaza fa manohana ny fitondrana amin’ny filazana fa manohitra fanakorontanana. Tsy andraikitry ny zandary anefa no manao fanambarana nilaza izany, fa efa akaiky ny farany dia mitady ny andray ny tambin-karama amin’ny fiarovana ny filaminana izay izy ireo.

Misy ny lalàna mamaritra ny fitandroana ny filaminana iarahan’ny mpitandro filaminana: miaramila, zandary ary polisy ary tsy ny zandary velively no tokony hitarika izany. Misy lalàna mamaritra an’io, dia ny loi 84-056 navaozina tamin’ny 2001. Voalaza, fa ny Praiministra, ny chef ny Faritany, na koa ny gouverneur (tranga fanavaozana 2001) no lehibehin’ ny OMC, arakaraky ny rafitra (Nasionaly, Faritany, Région, Commune). Azo itarina izany, amin’ny sehatra hafa (secteur), arakaraka ny toe-draharaha ilaina fandaminana ny tany (OMC élargi). Ny loi 84-056 dia vokatry ny tsy fananantsika “Concept de défense” mazava, ka nahatonga an’i Président Ratsiraka namoaka an’io, izay nalain-tahaka tamin’ny “concept de défense et de sécurité intérieure” tany France tamin’ny fotoanandro, mba hahafahana mampihetsika ny hery (Forces) hiaro ny Fanjakana sy hanao ny M.O (Maintien de l’Ordre) fa tsy ROP (mila réquisition speciale), ka hampidirana ny Tafika hanao Maintien de l’Ordre (M.O), manoloana ny tsy fahampian’isa ny Polisy sy zandary ihany koa. Noho izany, ny Lehiben’ny faritra, arakarakany, no manangana sy mampiantso ny membre ny OMC, ka ny OMC no mamolavola, mamaritra ny stratégie de sécurité apetraka manoloana ny Contexte misy eo amin’ny faritra, ahitana insécurité publique, tsindrina fa “Insécurité publique”, avy amin’ny mety ho antony samy hafa. Ka ny EMMO, izay ivondronan’ny commandement des forces de défense et de sécurité (FDS) no manao ny “conception opérationnelle, voir Tactique” entina mamadika ho asa sy fihetsika ara-miaramila sur terrain ny directive ny OMC, amin’ny maha “forces exécutoires” azy.

Fehiny: ny voasoratra ary averina eto indray, fa ny Police Nationale no Leader ny EMMO, fa tsy ny zandary. Ary tsy tokony ho ny zandary no hitady vola sy indeminité any amin’ny fanjakana hanaovana ny opération, fa ny Leader (Police nationale) no miandraikitra an’izany. Koa tsy mandeha tsy vohizina sahala amin’ny lakanjejo ny EMMO, fa mivoaka avy (découle) amin’ny OMC ny “directive initiale, D.I.” hamaritra ny asan’izy ireo. Ny mangataka ICP (Instruction Complémentaire Particulière), ao amin’ny Président ny OMC no ataon’ny Forces na ny mpitandro filaminana. Tsy asan’izy ireo noho izany ny manao fanambarana mialoha, tahak’izao nitranga andro vitsivitsy izao, fa asan’ny lehiben’ny OMC. Fa toa andro farany tokoa ve izao? ka mora ny mahazo izay kely sisa misy rehefa matahotra ny Fanjakana. Noho izany, karazan’ny famoronana ny hoe hisy korontana na spéculation no nataon’ny jeneraly Rakotondrazaka, mifandraika amin’ny zava-mitranga any Gabon, miseho ho mahafanta-javatra izy sy ny namany manoloana ny Fiadidiana ny Repoblika, ka ny ho tambin’izany dia ny fitandroana filaminana hahazoana tambiny hanaovana ny asa.

Mahatsapa ny Zandary fa mila azy sy sahirana ny fanjakana ka manao an’io izy ireo, efa andro faramparany izao. Efa ho lany ihany tokoa ny paiso an-kady hoy ny fitenenana izay !