MIAMI (Maty Isika raha i Andry no MI…)

Maty Isika raha i Andry no MIverina,
Aoka izay ny resabe sy fampitaha.
Mila alàna ny efa lo sy tandalerina,
Dia ilay gasy efa nivadika ho vazaha!

Maty Isika raha i Andry no MIrotsaka,
Fa tsy ho azo iretsy nosy manodidina.
Tsisy ilana ny olon-dratsy sy kapotsaka,
Mpanonofy sy mpanao lohan’angidina!

Maty Isika raha i Andry no MIsisika
Mbola hibitaka amin’ny zavatra tsy hay.
Ireo akamany aza be no tsy marisika,
Ny amin’ny mbola hitantanany indray!

Maty Isika raha i Andry no MIjoro,
Ka hanohy izay rehetra sitrapony.
Izy mantsy mafy loha tsy laitra atoro,
K’azo ambara f’efa tsy avotra intsony!

TSIMIMALO (03-09-23)