Hetsiky ny Olom-pirenena Madagasikara tsy entina Vahiny – Nosakanan’ny herim-pamoretan-dRajoelina, teo an-dalambe no nanao fanambarana

Helisoa

Saika hanao hetsika teny Mandrimena omaly ny Hetsiky ny Olom-pirenena Madagasikara tsy Entina Vahiny, nosakanan’ny herim-pamoretan-dRajoelina anefa izany, ka dia teo an-dalambe no nanao fanambarana ireo mpitarika avy amin’ny antoko politika, fikambanana, depiote, kandidà ho filohampirenena,…

Nisy ny fivoriana ampilaminana saika ho ataon’ny hetsiky ny olom-pirenena Madagasikara tsy entina vahiny, tao amin’ny ISTS Mandrimena omaly tolakandro izay notarihin’ireo kandida filohampirenena niaraka tamin’ireo olomboafidy depiote sy loholona, ireo ben’ny tanàna ary olom-pirenena tsotra. Nandritra izany dia tsy navela hiditra tao anaty trano fivoriana ireto farany na efa nahazo alalana tamin’ny tompon-trano aza. Nampiaka-peo noho izany ireo solombavambahoaka nanoloana ny fihetsik’ireo be baoty nanakana azy ireo. Niezaka niantso ny prefektoran’Antananarivo ny depiote Fidèle Razara Pierre, fa tsy nandray ity tompon’andraikitra voalohany amin’ny resaka fanakanana hetsika ataon’ny mpanohitra ity. Etsy andaniny anefa, afaka mivory manao kongresy soa amantsara ny antokon’ny fitondràna TGV eny amin’ny tranom-panjakàna CCI Ivato.

Manoloana izany dia nitondra ny teny avy amin’ireo tonga rehetra teny antoerana ny filoha teo aloha Hery Rajaonarimampianina, fa misy ny mizana tsindrian’ila eto amin’ny firenena. Ny zavatra hita amin’izao dia tsy misy ny fanajana ny lalàna sy fahafahana maneho hevitra sy miteny ary mivory no misy amin’izao ataon’ity fitondràna ity. Rehefa ny mpitondra no manao n’aiza n’aiza dia tsy misy ferana. Aiza ny fanjakàna tan-dalàna amin’izany? iza no tokony hampihàtra satria ny mpitondra no tokony hanome ohatra amin’izany? Ny mpanohitra dia tsy izahay ihany hoy ny filoha Hery Rajaonarimampianina fa ny 80 % ny Malagasy, izay miaina ao anaty fahantrana, tsy fisiana, tsy fananan’asa ary tsy afaka mampianatra zanaka intsony. Izany no te hiteny amin’izao, fa izahay dia mitondra ny tenin’izy ireo. Raha izao no fandehan’ny raharaha hoy izy dia manahirana foana ny ahitàna filaminana amin’ny adihevitra atao eto amin’ny firenena.

Marihina fa nirava ampilaminana miandry ny ho tohin’ny atao manaraka ireo vahoaka maro tonga teny Mandrimena Andoharanofotsy. Ny zavatra hitan’ny mpanao gazety dia olona mianjaika vonona hivory ampilaminana, fa tsy olona nivonona hidina andalambe no teny Atsimondrano omaly io.