Miala Rajoelina. J- 4 – Tsy Gasy fa Vazaha (T.G.V), mpamadika tanindrazana

Andry Tsiavalona

Hay “Tsy Gasy fa Vazaha” (TGV) no filohan’ny Repoblika IV-2, Rajoelina Andry Nirina, nandritra izay efatra taona sy sivy volana nitondrany izay! Mazava ho azy fa gasy ny rainy, gasy ny reniny, ka rà gasy no mikoriana ao anatiny ao saingy tsy misy afaka mandà fa any aminy koa ilay porofo “valo sentimetatra” (8 cm), araka ny filazany azy, fa “vazaha mpanjanaka izy” satria frantsay. Na dia mahafantra ny Lalàna mifehy ny Zompirenena Malagasy ao amin’ny Andininy 42, aza ireo parlemantera, depiote sy loholona, eto amin’ny Firenena dia mbola sahy nivory, ny herinandro lasa teo, ka niantso ity mpanjanaka ity hirotsaka kandidà amin’ny Fifidianana Filohan’ny Repoblika ihany.

Tsara tsiahivina ny voarakitr’ity andininy 42 ity fa very ny zom-pirenena maha Malagasy an-dRajoelina Andry Nirina satria izy tenany no nangataka antsitrapo ny zom-pirenena frantsay, araka izany dia tsy mahazo mirotsaka ho anisan’ny kandidà satria fandikan-dalàna sy famadihana Tanindrazana ny fisisihana amin’izany. Soa ihany fa 4 andro: J- 4 sisa dia hametra-pialana ity filoha namitaka vahoaka ity.

Ankoatra izany, manao kongresy ny antoko “Tsy Gasy fa Vazaha” nanomboka omaly ka hanapaka hevitra fa Rajoelina Andry Nirina no ho kandidàny. Tao amin’ny fandaharan’ny fahita lavitra tsy miankina ny alahady alina teo dia nanamafy izany ny depiote sy loholona IRD ary nanizingizina tamin’ireo mpanohitra nifanatrika taminy, fa tahotra fifidianana ny an’ny mpanohitra (tahotra an-dRajoelina Andry Nirina) ka voiziny mafy ity maha vazaha frantsay an-dRajoelina Andry Nirina ary mitaky fiaraha-midinika an-databatra boribory ny samy Malagasy mba hialàna amin’ny tahotra korontana. Avelao, hono, hoy ireto loholona sy depiote ireto, ny malagasy no hitsara satria tsy tambo isaina ny zava-bitan’izao fitondrana izao eo amin’ny sehatra rehetra ka mino izy ireo fa ho lany ny kandidàny. Azo inoana fa miantehitra amin’ny tafika sy zandary ary polisy izao fitondrana izao, ka na inona na inona hataony: na amboletra, na fandikan-dalàna araka ny nahazatra azy hatramin’izay, na fanosihosena ny fiandrianam-pirenena dia hiroso hatrany ireto TGV ireto.

Tsy azo hodian-tsy hita koa anefa ny Fanambarana Iombonana nataon’ireo kandidà valo mianadahy izay tsy manaiky, araka ny lalàna sy ny andraikitra takiana amin’ny Filohan’ny Repoblika, ny mbola hirotsahan-dRajoelina Andry Nirina ho kandidà ary miantso ireo tomponandraikitra, na olomboafidy na olomboatendry na miaramila na sivily, mba handray ny andraikiny hifanaraka amin’ny lalàna velona. Etsy an-kilany koa dia na jeneraly efa misotro ronono na mpanao politika na olontsotra dia tsy manaiky “vazaha” ho filohan’ny Repoblika izany intsony, satria iaraha-miaina ny loza nihàtra sy mihàtra amin’ny Firenena nandritra ny folo taona (dimy taona tetezamita ary ny amin’izao fotoana izao) nitondran-dRajoelina Andry Nirina izay. Samy miaiky ihany koa, hatamin’ny mpitondra Fivavahana, fa ilaina ny fifampidinihana hitadiavana ny hevitra sy ny làlan-kizorana ary ny famaritana ny fepetra rehetra mba tsy izao fifidianana izao indray no hiteraka korontana sy krizy politika eto amin’ny Firenena.

Milaza ny tandapa sy ireo mpanohana an-jambany izao fitondrana izao, fa matahotra fifidianana ny mpanohitra kanefa ny tranga sy ny fihetsik’izy ireo dia, angamba tsy matahotra fifidianana, fa fa efa mandindona azy ireo ny faharesena satria tsy misy mandeha amin’ny laoniny izay ataony rehetra ka nasaina nihinan’IEM ny Malagasy, kanefa tsy nanara-penitra iny dia novaina PEM, nahodina ho “Plan Marshall” kanefa vao mainka nihemotra niady gisitra ny Firenena. Tsy gaga intsony ny Malagasy rehefa nahafantatra fa taranaka mpanjanaka Rajoelina Andry Nirina, ka tsy nisy vokany ny fitakiana ireo Nosy Malagasy, satria tsy maintsy manaiky ny fanambaran’ny filoha frantsay hoe: “Ici c’est la France” izy. Tsy mahagaga ihany koa raha tsy noraisin’ny Filoha Frantsay tao amin’ny efitrano fandraisana filoham-panjakana Rajoelina Andry Nirina tamin’ny fihaonan’izy ireo farany, satria tsy mitovy laharana aminy noho ny maha frantsay azy.

Sakanana sy anaovana antsojay tsy afaka haneho hevitra sy hamory vahoaka ny mpanao politika, amin’ny fibaikona herim-pamoretana, kanefa ny mpitondra dia mahazo manao izay tiany atao na aiza na aiza ary na amin’ny fotoana inona na amin’ny fotoana inona. Hoy ny hain-teny Malagasy iray: “Veloma ry sakaiza, tsy ho voan’ny an-tànan-tena anie, tsy haratra ny an-tànan’olona.”