Fifidianana filohampirenena – 14 ireo kandidà efa nametraka dosie ao amin’ny HCC

Isambilo

Hatramin’ny omaly tolakandro, 14 ireo kandidà efa nametraka ny firotsahan-kofidiany na ny dosie-ny ao amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalampanorenbana (HCC) etsy Ambohidahy. Omaly, kandidà miisa 4 indray no nametraka ny antontan-taratasiny izay dia ny kandidà Hajo Andrianainarivelo avy amin’ny MMM, ny kandidà Raderanirina Sendrarison Daniela avy amin’ny Fy-M, ny kandidà Tahina Razafinjoelina natolotry ny FTT: Firaisankinan’ny Tia Tanindrazana ary ny kandidà Lachapelle Hery Tiana Guy avy amin’ny Natiora.

Arak’izany, tsy mitsaha-mitombo ny kandidà vonona hirotsaka hofidiana, miisa 08 ny lehilahy raha 05 kosa ny vehivavy. Ampoizina ny mbola hiakaran’io isa, satria mbola misy kandidà 3 eo ho eo efa nanao fanambarana filatsahan-kofidina, fa tsy mbola nandrotsaka ny antontan-taratasiny. Mbola misy hafa ivelan’izany koa tombanana ho kandidà, fa tsy mbola nanao fanambarana hatreto. Dia ho hita eo ny tohiny anio, rahampitso alarobia 6 septambra no daty farany handraisan’ny etsy Ambohidahy ny dosie-n’ireo vonona hifaninana ho eny Iavoloha sy Ambohitsorohitra izay.