Maitirano faritra Melaky – Zandary namoa-tsampona nitifitra olona indray

Niaina

Nisy zandary namoa-tsampona nitifitra olona indray, tany amin’ny distrikan’i Maitirano faritra Melaky, tany amin’ny kaominina Bebaboka ny faran’ny herinandro teo. Fifamaliana tao an-trano noho ny ” resaka couvre-feu ” na tsy fahazoana mivezivezy amin’ny alina no ni-tifiran’ilay zandary azy olona miisa 2.

Tranga mampalahelo satria dia nohon’ny fifamaliana nisy teo amin’ilay zandary sy izy olona 2 lahy, no na-monoany azy ireo. Ny iray maty teo no ho eo, fa ny iray tonga tany amin’ny Hôpitaly vaoi namoy ny ainy. Niso-trosotro tao an-trano i Monja Fiaviantsoa Ferida sy Jus-tin Théophile sy ny namany roa lahy ny alin’ny zoma 01 septembre 2023 lasa teo. Tonga nanatona azy ireo tao an-trano ny Zandary iray mpiana-draharaha raha ny fanazavana avy amin’ny fianakavian’ izy mirahalahy ireto. Nangataka ny hisotro miaraka amin’ izy ireo ilay zandary, fa nilaza ny efa tsy manam-bola intsony izy ireo. Raikitra ny fifamaliana ka nivadika hoe ” efa alina be izao ka tsy tokony misotro intsony lisany. Namaly ry zalahy hoe izahay anie sefo ato anaty trano no mi-sotro e! Nanambana basy ilay zandary ka namaly ilay iray hoe efa fandrahonana ho faty izao ataonao anay izao. Niteny ilay zandary hoe miseho mahitahita lisany fa ho hitan’ialahy isany tsara. Vao maika nihamafy ny fifamaliana ka nivoaka ny trano ilay zandary ary nitifitra rehefa tany ivelany. Niverina niditra ny trano ilay Zandary taorian’io fa efa nitsoaka nanavotra ny ainy ireo roa lahy tsy maty. I Monja Findrasoa moa maty teo no ho eo fa i Théophile kosa rehefa nentina tany amin’ny Hôpitaly. Napandre ny lehibeny ny manodidina ka tonga nijery ny zava nisy. Rehefa nahita ny lehibeny ilay zandary vao nety norarana satria efa somary mamo, hoy hatrany ny fanazavana.

Manao antso avo amin’ny SEG na ny sekreteram-pan-jakana amin’ny zandarimariam-pirenena sy ny fiana-kavianmben’ny zandarimaria ny Foko Antandroy ao Tsiroanomandidy manoloana ity famonoana ny zanak izy ireo ity.