Mitokona ny mpikirakira hena – Mananosarotra ny fahitana henomby sy hena kisoa any Toamasina

Niaina

Mananosarotra amin’izao fotoana ny fahitana henomby sy hena kisoa any Toamasina faritra Atsinanana, ny antony dia satria mitokona ireo mpikirakira ny resaka hena any an-toerana: ny mpamono omby, sy ny mpivaro-kena. Efa ho 2 andro tsy nahitàna henomby sy henakisoa ny tsena rehetra ao amin’ny renivohitry ny faritra Atsinanana. Mitokona ireo mpikirakira hena rehetra manoloana ny fahafantaran’izy ireo, fa efa lafo tamina orinasa Sinoa ny toerana famonoana omby sy kisoa any an-toerana, any amin’ny Cité Canada izay toerana efa namonoana omby hatramin’izay.

Voalaza fa hafindra any amin’ny toeran-kafa ihany koa izy ireo satria hoe tery izany toerana izany. Tsy manaiky izany anefa ireto mpikirakira hena ao Toamasina ireto ka izao nampitsahatra ny asany izao aloha, mandra-pisian’ny vahaolana. Hitohy hatramin’ny anio ny fitokonana fanairana ao anatin’ny faritry ny labatoara, ary tsy mbola hisy ihany koa ny hena manerana ny tsena rehetra.