2 Septambra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety sy ho an’ny rehetra izao soratana manaraka izao: mbola tsy nisokakatra akory ny fanadihadiana momba ilay faty olona teny Mahamasina noho ny fifanosehana teo amin’ireo olona aman’ arivony tsy tafiditra tamin’ny fanokafana ny Jeux des Iles dia efa miteny sahady ny sasany fa ny mpanohitra hono no tao ambadika. Izany no tena hoe ” Affirmation gratuite “.

Rehefa misy tsy fahatomombanana sy lesoka ary tsy fahafehezana ilay tranga miseho dia miala andraikitra foana, ka ahilika any @ mpanohitra ny fahadisoana. Fa angaha ny mpanohitra no tompon’andraikitra t@ organisation? ny niandraikitra ny fandaminana teo ivelany sy tao anatiny? ny niandraikitra ny gestion des foules ? ny niandraikitra ny sécurité? Aza ahilika any @ hafa ny lesoka niseho sy tsy fahafehezana ny tranga toy ireny. Ny mpitondra no tompon’andraikitra tamin’ny fandamianana rehetra, noho izany izy ireo no tompon’andraikitra voalohany tsy afa-miala tamin’ireny faty olona maro ireny.

Tsiry Ratsimbaharimanga
Filohan’ny Tanora RMDM Analamanga