Hialana amin’ny korontana – Maika ny fifampiresahana mialohan’ny fifidianana hoy ny FFKM

Nangonin’Isambilo

Nivoaka ny alakamisy teo ny fehin-kevitra mahakasika ny fihaonambe nasionaly nataon’ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara, natao tao amin’ny ISTS Mandrimena Andoharanofotsy Antananarivo Atsimondrano: voalaza fa mila fihaonana maika eto amin’ny firenena handravonana ny zava-misy mialoha ny hanatanterahana ny fifidianana. Ankoatra izany, tao anatin’izao fihaonambe nasionaly FFKM izao koa no nifampihainoana momba ny fiainam-pirenena. Tonga nandray anjara tamin‘izany ireo ankolafin-kery samihafa. Teo ny tolokevitra samihafa momba ny fanarenana ny fiainam-pirenena, andaniny.

Etsy ankilany, voaresaka manokana ny momba ny fifidianana: teo ireo vonona ny hiroso avy hatrany amin’izany; teo ireo nihevitra fa tsy fifidianana mihitsy no hampandroso an’i Madagasikara.

Misy ireo resy lahatra, fa ilaina ny fifidianana saingy tokony hatao aloha ny fandaminana, mba ho feno ny fepetra hisian’ny fifidianana madio mangarahara, eken’ny rehetra. Koa jerena amin‘izany, ny lalam-pifidianana, ny lisi-pifidianana, ny rafitra mitantana ny fifidianana. Teo koa ireo mihevitra fa ilaina ny hisian’ny fitondrana manokana handaminana tsara io fifidianana io.

Manoloana izany rehetra izany dia mahatsapa ny FFKM, fa ilaina ny mbola hirosoana amin‘ny fifampihainoana sy fifampiresahana eo amintsika samy malagasy, ahitana vahaolana malagasy, amin’ny olantsika samy malagasy, ho fisorohana ny ady an-trano sy ny korontana. Maneho ny fahavononany ny FFKM amin’ny fitarihana izany fifampidinihana izany.