Filoha Marc Ravalomanana – Efa ela no vonona amin’ny resaka fifidianana ny TIM

Helisoa

Naneho ny heviny ny kandida Filoha Marc Ravalomanana nandritra ny famaranana ny fihaonambe nasionaly ny FFKM, mikasika ny fehinkevitra izay nivoaka nandritra ny fifampidinihana sy fifampihainoana teo amin’ny samy Malagasy, nandraisan’ireo mpanao politika sy fikambanana ary fiarahamonim-pirenena anjara teny Mandrimena Antananarivo Atsimondrano.

Efa tamin’ny taona 2009 hoy ny Filoha Marc Ravalomanana no efa nolazaina ombieny ombieny raha mbola tany Afrika Atsimo aho ny resaka dialogue na ny fifampiresahana hoe ianareo samy Malagasy aoka hifampihaino, izao isika hoy izy efa taona 2023 dia mbola ventesina ihany izany. Isika angamba hoy izy tsy manana sofina mihaino na manao tsinontsinona na tsy mahay mihaino satria mamerina ankehitriny ny FFKM hoe dialogue na fifampiresahana. Dia ho hitantsika eo satria izy ray amandreny ampanahy manana fahefana ara-panahy amin’ny maha mpaminany azy no miteny. Fa enga anie mba hiasa mahery ny fanahin’Andriamanitra, mba hahafahana mahalala izay tiana resahana.

Tsy manana olana amin’ny resaka fifidianana ny antoko Tiako i Madagasikara (TIM) satria efa niomana efa ela izahay hoy izy, efa ela no vonona amin’ny fifidianana ny antoko TIM hoy ihany ny filoha nasionaliny. Fa io apetraka eo ampelatanan’Andriamanitra hatrany satria an’Andriamanitra no mandahatra ny zavatra rehetra.