Fitondrana Rajoelina – Tokony ho efa fampandehan-draharaha sisa no ataony

Helisoa

Efa ho tapitra ny fe-potoana iasàn’ny filoha Andry Rajoelina sy ny fitondrany, izay andro sisa isaina raha toa ka hanao amboletra hilatsaka ho fidiana ho filohampirenena ny tenany. Tokony ho efa fampandehanan-draharaha sisa no ataony, fa tsy tokony hisy hoe hanao izatsy na zaroa mbola hambaboana ny fon’ny vahoaka Malagasy efa trotraky ny adim-piainana nandritra ny 5 taona nitondràn’izy sy ny forongony. Eo ihany koa ny mbola fanendreny olom-panjakana ambony toy ny governora sy ny sefo distrika sasany nandritra ny filankevitry ny ministra farany teo. Sa misy tetika hangalarana vato satria efa akaiky ny fifidianana?

Ankoatra izay vao nampahafatarina ny vahoaka Malagasy, fa nanafatra saina 16 baoritra izay nandaniana ny volam-panjakana nampiasaina amin’ity lalaon’ny nosy ity. Eto Madagasikara ve tsy misy afaka anamboatra saina no dia afarana any ampita andaniana ny volambahoaka? Ankehitriny natao alasafay ny fanamboarana lalana eto Antananarivo Renivohitra, mba tsy ho afabaraka eo anatrehan’ireo vahiny. Tsy takona afenina anefa izany satria mibaribary ohatra ny vay an-kandrina fa atao zara fa vita ireo lalana amboarina. Ny loto any amin’ny andalovan’ireo vahiny no esorina fa Ra-Malagasy any amin’ny toerana hafa mbola milona tanteraka ao anaty fako. Ny vahiny izay anafenana mafy ny fahantrana sy ny tsy fahaiza-mitantana eo amin’ny mpitondra no mahatsapa fa mafy ny fahantrana misy eto Madagasikara. Ka na hanao fanatanjahantena aza no andehanana eto dia mahatsapa ny fahasahiranana ka lasa manolotra fanomezana ho an’ireo ankizy sahirana tezaina any amin’ny akany.

Nahita ny mafy ny Malagasy nandritra ny fitondràna Rajoelina, satria rendrarendra tsy hihinanan-kanina no nisy teto ary werawera araka ny fitenin-jatovo. Aiza ve ka tranom-panjakàna izay niasan’ny dadany tany Antsirabe no lasa natao Mozea. Mbola velona anie ny dadan’ny filoha Rajoelina sy ny tenany dia manana ny sata ahafahana manambara fa Mozea ve izany? inona moa no tena zavabitany teto amin’ny firenena e? Ny amiraly Didier Ratsiraka izy tenany aza nitondra ny firenena sady miaramila tsy nanao izany. Hihomehezan’ny olona sisa ny filoha amin’izao andro sisa hipetrahany eo amin’ny fitondràna izao. Mbola vain’afo eo antampondohan’i Andry Rajoelina izao ny resaka Romy-gate sy ny maha vazaha azy, ka dia ho hitantsika eo ihany ny ho tohiny, fa efa sasamiandry izay hiafaran’ity fitondràna ity ny vahoaka Malagasy.