EDITO 2 Septambra – Miala Rajoelina. J- 7 – Herinandro sisa, tsy azo sakanana ny fotoana

Ny Valosoa

Herinandro sisa: J- 7 dia hametra-pialana ny filoha Andry Rajoelina, raha hirotsaka hofidiana amin’ny fifidianana filohampirenena hatao eto amintsika ny 9 novambra ho avy izao izy. Amin’ny heriny anio, 9 septambra tokoa ity filoha amperinasa eto amintsika ity, no tokony hametra-pialana izay.

Raha ny fahitana azy dia hirotsaka izy satria hanatanteraka kongresy nasionaly ny antoko TGV amin’ny herinandro ho avy io. Misy amin’izao fotoana ireo ben’ny tanàna terena hilaza fa miantso ny filoha Rajoelina hirotsaka hofidiana. Vao omaly koa no nanambara ireo depiote sasany, sy ireo senateran’i Madagasikara miara-dia amin’ny fitondrana no nilaza sy niantso azy hirotsaka hifaninana amin’io hazakazaka ho eny Iavoloha sy Ambohitsorohitra io.

Amin’ny lafiny mandrisika ny filoha Rajoelina sy ny andrimpanjakana eto amintsika, handika lalàna ny famelana ny filoha Rajoelina hirotsaka hofidiana, satria efa very ny zom-pireneny Malagasy, noho izy ninia naka zom-pirenena Frantsay. Ankilany indray, ao ireo milaza fa aleo izy ho afaka hirotsaka dia ho resena mazava amin’ny fifidianana, satria filoha mpandainga, mpampijaly vahoaka, mpiteniteny foana, mpivadibadika amin’ny teny nolazainy, maro ireo velirano tsy vitany, tsy miraharaha ny Malagasy fa manome vahana ny vahiny. Porofo iray farany izao, sainam-pirenena ve dia afarana avy any Chine? nefa maro ny mpanjaitra mahavita izany, sady mahay lavitra noho ny sinoa raha fanaovana sainam-pirenena izany, ary efa natao teto izany hatramin’izay, tsy hita izay naharatsy azy.

Tsy maintsy hisy valiny ireo fanontaniana ireo amin’ny herinandro ho avy io, na ho afaka hirotsaka Rajoelina na tsia, ka dia ho harahantsika eto ihany ny ho tohiny. Na izany na tsy izany, efa vonona hanilika ity filoha tsy mahomby ara-pitantanana ity ny ankamaroan’ny vahoaka tompon’ny fahefana, masi-mandidy amin’ny fifidianana, amin’io fifidianana hatao afaka 2 volana mahery kely io.