TSY NY OLONA TOY IRENY

Tsy ny olon-tsy vanona akory, no hanarina ny firenena,
Fa izy aza mbola matory ao anatin’ny fitiavantena.
Fa ny olona efa mifoha, ary miaina ny fahamarinana,
No mendrika ny ho filoha sy ho andry natao mba iankinana.

Tsy ny olo-nangalatra akory, no hanarina ny firenena,
Fa izy tsy tia miaraka ory amin’ireo izay tsy manam-boamena.
Fa ny olona fatra-pandala, mpanandratra ny fihavanana,
No olon-tsy manan-tsahala, ka mendrika ny hotohanana.

Tsy ny olon-tsy marina akory, no hanarina ny firenena.
Ny tanjony rehefa mivory, dia izay hangoronan-karena.
Fa ny olo-mahitsy sy tsotra, kanefa dia tia tanindrazana,
No mendrika hiaraha-mizotra, hanarina ny fahavoazana.

…Tsy ny olona tahaka ireny, no hanarina ny firenena
Satria izao no hany kendreny: ny hambotry sy hangoron-karena.
Ka aoka tsy dia ho sodoka, mahaiza manao fampitaha,
Dia ialao ny olon-dratsy sy foka, ary ny sarintsarim-bazaha!

TSIMIMALO (30-08-23)