ANY IANAO RAMAROANARANA

Maro ihany ireo filoha fa saingy ianao no maro anarana,
Ary na ny lisitra aza toa ahiana tsy hifarana.
Raha ny anaranao manokana dia toa miampy am-pandehanana,
Indrindra indrindra tao ho ao satria akaiky fifidianana!

Rainilainga, Rainidedaka, no santionany amin’izany.
Tena anarana malaza sy manako eran-tany!
Saingy toa tsy « laza tsara » no fonosin’izy ireny,
Fa ny « laza ratsy » hatrany, ka ny moana mila hiteny!

Maro ihany ireo filoha fa saingy ianao no maro anarana,
Sady toa mitombo hatrany sy tsy manam-pitsaharana.
Raha izay dia lasanao ny amboara maha tompondaka.
(Tsisy maharesy anao ireo filoha sy ireo mpanjaka!)

…Koa arahaba no atao ary arahaba no atolotra.
Taomy mba hampita izany an-tserasera ry bemolotra.
Fa raha hoe anaram-bosotra, raha izay io no hifanintsanana,
Tena montsanao ny hafa raha vao hisy fifidianana!

DADAN’i ZINA (26-08-23)