VAOVAO FARANY

Kivy ihany Rainilainga ka milaza hipetrapetraka,
Saingy raha ny heno kosa dia hitohy ireo hetraketraka
Miaraka amin’ireo mpanohana ary koa ny akamakama,
Sy iretsy debadeba izay malaza ho voakarama.

Efa fantatra ny lasany sy ny fomba izay fanaony.
Hainy ny mivadibadika fa izay no kilalaony.
K’aza dia matoritory, mivondròna mba ho iray,
Hanilika an’ity tsy gasy f’efa niofo ho frantsay!

Kivy ihany Rainilainga fa ambany ny herizika
Hiverenany indray hitantana ny nosintsika,
Ka ezahiny ny fomba tsy hisian’ny fifidianana
Fa dia ny « tetezamitatra » no tadiaviny hiomanana!

Koa avia, miraisa hina ry maniry ny hirotsaka,
Dia tohero ny hevi-dratsy izay ketrehin-dRakapotsaka.
Aza dia ny seza loatra, aza izay no mahamaika,
Fa jereo ireo malagasy miantso vonjy, mikaikaika!

Halaviro ny korontana sy izay mety ho herisetra,
Fa izany no hamandrihany ireo kandidà rehetra.
Maro no efa notambazany ireo mpitandro filaminana,
K’aza mety hampiadiana fa manàna fahamalinana!

DADAN’i ZINA (31-08-23)