31 Aogositra – Taratasin’ny mpamaky

Fanehoan-kevitra ampitaina amin’ny gazety sy ny rehetra izao manaraka izao mahakasika ny hoe : mpitondra manana vision!

Kianja filalaovana sa Seranam-piaramanidina no mampisy fiandrianam-pirenena sy mampiditra vola ho an’ny firenena?

Mba tsy hisian’ny adihevitra mandany jiro dia resaka safidy @ zavatra roa no resaka eto. Koa iza no mety sy maika raha hitsinjo lavitra mety @ Madagasikara.

Ohatra no alaiko: Jereo ny aéroport ao Addis Abeba sy Nairobi fa tena isanandro mandritry ny 24 Ora tsy miato dia feno olona mivezivezy tsy miato mihitsy ireo sidina tonga sy miala ao.

Midika inona moa izany? Tsy haiko hoe Vola be toa inona no azon-dry zareo Kenyana sy Ethiopiana isanandro? Tsy isanandro no hisy jeux des îles sy lalao iraisampirenena @ ireo Kianja filalaovana ireo.

Raha jerena io fanitarana ny aéroport Ivato io dia afaka manoratra izany anatina mandat iray ny mpitondra. Fa raha tena manana aéroport lehibe isika dia izay fiaramidina avy any Asia ho any Afrika dia afaka manao escale eto avokoa. Sady afaka mijanona andro vitsivitsy mizahatany ny olona.

Izahay raha avy tany Kuching Malaysia teo hody Madagasikara dia etsy Addis Abeba no manao escale, kanefa mandalo eo ambonin’i Madagasikara ny avion, izany hoe mbola nanalavitra indray.

Tena sarotra ve izany? Asa fa raha tena olona manana vision rangà afaka mijery ny maika sy mampiditra vola vao manao fialamboly a.

Eny e, satrin’ny olona tsy ampy solaitra anie dia fety mandavantaona : zoma magnifique foana ny fiainana e, saingy tsy izany no mahasambatra sy mahatonga olombonona.
Dia izao iainantsika mianakavy izao ny zavamisy rehefa diso vision ny mpitondra.

Pr Jonah Ratsimbazafy
Président du GERP et Président Mondial de l’IPS