Fihaonambe nasionalin’ny FFKM – Mandray anjara mavitrika ny filoha Ravalomanana

Stefa

Mandray anjara mavitrika amin’ny fihaonambe nasionaly izay karakarain’ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara, atao eny amin’ny ISTS: Institut Supérieur de Travail Social, eny Mandrimena Andoharanofotsy Antananarivo Atsimondrano amin’izao fotoana, ny filoha Marc Ravalomanana, filoha nasionalin’ny antoko TIM, sady kandidà amin’ny fifidianana ho filohampirenena hatao eto amintsika ny 9 novambra ho avy izao.

Nambarany nandritra izany fa: “ny fahefan’i Jesoa Kristy no fahefan’ny fiangonana. Andriamanitra no manome izany fahefana izany. Etsy andaniny, mitoetra sy mifamatotra amin’ny fahefan’i Jesoa Kristy izay Fahefana eo an-tananan’ny Fiangonana. Milaza sy miteny ny Fiangonana, fa ny olona no manao ny eny na tsia amin’izay lazaina. Ireo karazana fahefana ananan’ny Fiangonana ary dia: fahefana handrava izay tsy sitrapon’ Andriamanitra; fahefana hanangana; fahefana hamboly. Marin-toerana sy marim-pototra ny asan’ny Fiangonana satria Mitaiza sy mampita Aina”, hoy izy.

Mahakasika ny fifidianana, nararaotin’ny mpanao gazety koa ny nanontany azy teny an-toerana, nanambara ny filoha Marc Ravalomanana, fa tsy maintsy hirohotra ihany izay te ho kandidà amin’io fifidianana ho filohampirenena io, rehefa miha-manakaiky ny fotoana.