Ninia naka zom-pirenena Frantsay – Tsy afaka mirotsaka Rajoelina hoy ireo kandidà niray feo

Nangonin’Isambilo

Ninia naka ny zom-pirenena Frantsay, niray feo ireo kandidà mirotsaka ho filohampirenena eto amintsika, fa tsy afaka hirotsaka ho fidiana ho filohampirenena eto amintsika intsony, ny filoha amperinasa Andry Rajoelina.

Nanao fanambarana iombonana ireo kandida ho Filoham-pirenena miisa 8 ireo, fa tsy afaka mirotsaka ny Filoha ankehitriny raha ny lalàna. Tsy vitan’ny fandikana lalàna fotsiny ihany ny filoham-pirenena Malagasy mizaka ny zom-pirenena vahiny izany, fa efa famitahana vahoaka noho ny fahadisoana ara-moraly sy amin’ny fahamendrehana, araka ny fanambaran’ireo kandida hirotsaka ho filoham-pirenena ireo.

Mitaky fahamatorana ara-moraly, tsy maintsy hajaina farafahakeliny izany andraikitry ny filohampirenena izany, hoy hatrany izy ireo. Haute trahison na famadihana tanindrazana goavana ihany koa no nataon’ny filoha Rajoelina, filohampirenena Malagasy, nefa ninia naka zom-pirenena Frantsay. Azo gadraina koa izay izay tompon’andraikitra manome “certificat de nationalité” azy, sy izay olona minia manome izany amin’ny olona efa nanary ny maha Malagasy azy araka ny lalàna velona.

Nanasonia ny fanambarana ny kandida : Marc Ravalomanana, Hery Rajaonarimampianina, Raobelina Andry, Paraina Augustin, Hajo Andrianainarivelo, Razafijoelina Tahina, Siteny Randrianasoloniaina, ary Masy Goulamaly.