FFKM – Miantso ny mpanao politika hifampihaino sy hifampiresaka

Isambilo

Fanompoam-pivavahana iraisam-pinoana no nanokafana ny fihaonambe nasionalin’ny FFKM: Fiombonan’ny Fiangonana Kristiana eto Madagasikara ny talata teo, teny amin’ny ISTS Mandrimena Andoharanofotsy Antananarivo Atsimondrano.

Manatanteraka fihaonambe nasionaly eny amin’ity ivon-toerana ity ny FFKM, ka tsy hifarana raha tsy rahampitso zoma 1 Septambra 2023.

“Fiangonana manorina sy mamboly eto amin’ny Firenena”, no foto-kevitra hovohizina mandritra ity fihaonambe nasionaly ity.

Ny hanomezana aina vaovao indray ny fiainana ny firaisan’ny fiangonana dia ny “œcuménisme” izay antony ijoroan’ny FFKM, no antony voalohany nanaovana izao fihaonambe izao, hoy ny Filohan’ny FFKM, ny mpitandrina Dr Irako ANDRIAMAHAZOSOA Ammi. Ny tanjona hoy izy dia ny hanomezana aina vaovao indray ny FFKM, ka hahafahany miasa sy manefa tsara ny iraka, antony nanangana azy.

Faharoa, natao ihany koa izao, mba hametrahana amin’ny toerany sy hanomezana aina vaovao indray ny andrimaso FFKM. Araka ny fanazavan’ny Filohan’ny FFKM dia manana iraka anankiroa lehibe mazava tsara izany andrimaso izany. Voalohany, ny hanabe ny olom-pirenena ho vanona araka ny fampianaran’ny tenin’Andriamanitra sy ny Fiangonana. Faharoa, ny asa fanaraha-maso ny fifidianana.

Anisan’ny nanaovana izao fihaonambe izao ihany koa hoy izy, ny mba hisian’ny fifampiresahana sy fifampihainoana eo amin’ny samy malagasy, indrindra ny samy mpanao politika, ho famahana ny olana misy eto amin’ny firenena.