MIHOSIN-DRA NY TANANAO

Vao handray ny fahefana dia efa tena nihosin-dra
Ny tananao ry olona iny ka dia tena nahaketraka.
Izay ilay sorona voalaza fa tsy maintsy ilaina va,
Ho anao izay matim-boninahitra sady tia ny mihetraketraka?

Dia nolavinao tanteraka ny fanaovam-pianianana
Miaraka amin’ny baiboly dia ilay tenin’Andriamanitra?
Sitrakao ny handeha irery mba hanao ny fitantanana
Noho ianao ilay mihevi-tena ho mahery sy maranitra?

E! tazano anie ny vokatra eto an-dalam-pamaranana,
Fa tsy misy zava-banona, potika ny firenena.
Sa ho anao « tsy gasy intsony » , izao no atao hoe fiadanana,
Dia ny gasy fara lisitra sady tena mahonena?

…Omaly indray dia nihosin-dra ny tananao ry olona iny,
Ka vao mainka nahakivy sady tena nahaketraka.
Mihandrona aminao daholo na ny tody na ny tsiny
Ka farano re ny dia fa ampy izay, aleo mipetraka!

IRINA HO TAFITA (26-08-23)