MBA MIANARA IHANY

Mba mianara ihany kajy raha hitondra firenena,
F’efa lasa fihomehezana ary mampanongo tena,
Raha ianao miseho ho babany no mandiso toy ireny,
Ao anatin’ny kabary sy karazan-dahateny!

Noho ianao tsy gasy intsony f’efa hoe frantsay
Dia lelavola sy isan-javatra no afangaro fa tsy hay?
Tena mahamenatra olona ka ny torohevitray
Dia mijanòna, aza mirotsaka, mipetraha fa aok’izay!

Mba mianara kajy ihany vao mitondra firenena,
Raha tsy izay, aleo mipetraka sady aleo manaja tena.
Raha ny teloambinifolo ampiana enina aza tsy hay
Dia mihevera ry tsy gasy f’efa niofo ho frantsay!

Ny fanentanana eny an-kianja miampy ny fampandihizana,
‘Ndeha ireny no tohizo mba ho fanalana vizana.
Raha ireny mantsy ianao dia azo ambara ho tompondaka,
Fa ny ankoatr’izay dia « aotra » sy mahafaka baraka!

DADAN’i ZINA (26-08-23)