RAINILAINGA SY NY DI-DOHANY

Efa misy bitsibitsika any ambadimbadika any
Izay mitaona an-dRainilainga tsy hirotsaka intsony,
Saingy be di-doha ilaiàka ka dia toa mikiry hatrany,
Olony daholo mantsy ireo mpisehatra eny ambony!

Efa maro ireo fambara sy ireo marika ahafantarana
F’efa maizina tanteraka izay ho pejim-pamaranany.
Isan’andro dia mitombo tsy mijanona ny anarana
Anesoan’ny olona azy noho ny fomba nitantanany!

Saingy mbola mihorakoraka ny olo-manodidina azy,
(Ka singanina amin’ireny izay vazimba kely izay!)
Na dia tokony haato sy efa tokony homen-tsazy
Ity ilay efa hoe tsy gasy fa vazaha frantsay!

Efa misy bitsibitsika any ambadimbadika any
Izay mitaona an-dRainilainga tsy hirotsaka intsony,
Saingy be di-doha ilaiàka, ka dia hoe « izay tiako ihany »,
Izay no mbola ao an-tsainy sady masaka ao am-pony!

Maro anefa ireo mpandinika no efa tena nanambara
Fa tsy mendrika azy intsony ny hiverina eto an-dasy.
Potika ny firenena, rendrika ilay Gasikara,
Mila olona madio, mila gasy tena gasy!

TSIMIMALO (29-08-23)