Mihantsy ny hisian’ny savoirovoro Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy

Beharo

Maro amin’ny vahoaka mpiara-monina raha ny fanadihadiana nataon’ny mpanao gazety no nilaza, fa “Fihantsiana na provocation” mihitsy no kendren’ny mpitondra fanjakana sy ny manodidina azy ireo atao amin’izao fotoana, satria efa mba samy manaja ireo vahiny marobe tonga eto mandray anjara sy manatrika ny Lalaon’ny Nosy ny rehetra, sy ireo mpizahatany manao vakansy eto ireo ny maro ankehitriny, nefa dia mbola ketrehina ho amin’ny korontana foana ve hoy ireo izay nanipy feo tamin’ny gazety, ireny tranga teny Ankatso nataon’ny mpitandro filaminana tamin’ny mpianatra ireny. Ny sehon-javatra teny amin’ny By-Pass, ary indrindra ny fifanosehana teo Mahamasina tamin’ny zoma ireny miampy ny grevy izay mitranga ao amin’ny Antenimierandoholona ao, momba ny karaman’ireo mpiasa, izay tsorina fa fahafaham-baraka goavana eo imasom-bahiny sy ny maneran-tany mihitsy, dia isan’izay fihantsiana ataon’ny mpitondra amin’ny hisian’ny savorovoro izay.

Ny mpitandro filaminana hoy ireo mpanohana mpilalao avy any ivelany sendra ny gazety teny amin’ny Masay sy Ankorondrano Arena iny, no tena manao tandrevaka rehefa misy ny toy ireny, izay hevitra mitovy amin’ny malagasy mpiray monina ihany koa, ka ny zandary foana no voatonona misimisy amin’izany, raha ny lafiny filaminam-bahoaka no jerena, ary ny solombavambahoaka mpiray antoko amin-dRajoelina, no manao teny tsy am-piheverana ihany koa matoa sahy miteny fa olona 4 voakarama no nitarika ny raharaha mampalahelo teny Mahamasima ireny, izay nilazany fa ananany porofo, nefa izy tenany aza tsy nilahatra teny akory dia sahy nilaza fa mpanohitra indray no tao ambadik’izany. Depiote efa zatra miteniteny foana hoy izy ireo.

Nanome tsiny ny fitondrana daholo izay rehetra nanipy teny, ka ny filoha Rajoelina no voalohany amin’izany hoy izy ireo, satria na ny fisaonam-pirenena mba ho mariky ny fifankatiavana aza, dia tsy hainy akory ny nanao izany, nefa ireo antoko izay tsy miray dia amin’ny TGV sy Mapar avy hatrany no niantsoantso fa tokony hatao izany, ka tsy diso ihany koa ny sasany raha niteny fa “Mandat 4” no kendren-dRajoelina dia ho lavorary ny firenena, nefa Mandamoka, Mandaginina, Mandapoasy, Mandanderoka,… no efa hita sy mibaribary izao, raha ny fitondran’i Andry Rajoelina..

Tandremo hoy ny rehetra, fa raha ny mpanohitra dia tsy maniry sakoroka na korontana izany, fa ny ao amin’ny fitondrana sy ny mpitandro filaminana mihitsy no efa mikendry zavatra hafahafa, hanimbana ny fotoam-pifidianana, ka ho lasa TETEZA-MIITATRA eo no kasain’izy ireo hatao avy eo. Heverina fa tsy misy hanaiky an’izany intsony.