EDITO 29 Aogositra – Miala Rajoelina. J- 11 – Mampihaingo ambony tsikoko ny firenena

Sôh’son

Inian’izao fitondrana Rajoelina izao haloto ny kianja hilalaovana eo amin’ny fifidianana izay ho hatrehina. Miharihary ny fihetsika mifanesy ataony izay mitondra ho amin’izany ary ahatarafana mazava ny tiany ahatongavana. Mbola manamafy izany ny zava-nitranga ny alakamisy lasa teo tamin’ny fikasan’ny fianakaviamben’ny mpanohitra hanao fanambarana iombonana. Ao anaty efitrano anefa no saika nanatanterahana an’izany, fa dia nosakanana tsotra izao tsy misy fanazavana. Mazava ny fihetsiky ny fitondrana, na maloto aza ny kianja, dia mety aminy; na tsy mazava aza ny lalao amin’ny fifidianana fa miaro paipaika politika maloto, dia tsy olana. Midika izany rehetra izany, fa mbola tsy handeha na tsy hampandehanina amin’ny fahamarinana indray ny fifidianana hotanterahina eto, ary ho ratsy kokoa noho ny tamin’ny taona 2018 aza. Mbola mangeja ny firenena iaina anaty tsy fahamarinana ny filoha Andry Rajoelina sy ny mpiara-dia aminy, soa ihany fa 11 andro sisa: J- 11 dia tokony hametra-pialana ity filoha ambaran’ny maro fa Rainilainga ity, milaza ho demokraty izy ireo, ka heverina fa hanaja izay fametraham-pialana izay tokoa raha hirotsaka hofidiana.

Efa nentina tamin’ny lalan-dratsy ny firenena tao anatin’ny 5 taona latsaka izao. Tsy nampiraika na tsy nohenoina velively ny tenin’ny olom-pirenena na ireo avy amin’ny fanoherana nanakiana izany. Nodikaina ny lalàna ary nosihosena ny lalampanorenana, fehezina tsy ho afaka haneho hevitra an-kalalahana ny mpanohitra, sns… Nampizorina tamin’ny lalan’ny tany tsy tan-dalàna ny firenena, na dia notakontakonana na nosarontsaronana amin’ny fihetsika sy fiteny nampandry adrisa, ka namitahana izay olona azo nofitahina sy mora fitahina rehetra. Sary maneho izany tsara ny fomba fiasan’ny fitondrana na ny fitondrana foibe na ny eo anivon’ny kaomina Antananarivo renivohitra, amin’ny asa vonjy tavanandro amin’ny fanamboaran-dalana eto an-drenivohitra, sy ny fanakonana ireo fako misavovona toy ny eny amin’ny Petite Vitesse izay takonana gony, na ny asa alasafay amin’ny fanadiovana ireo lakandrano feno fako sy rakotra tsikafonkafona. Izao vao mody mikoropaka, ka hampihaingoana ambony tsikoko ny firenena. Hitan’ny vahiny ampiantranoana avokoa izany, fa tsy tako-afenina intsony. Mazava loatra, fa hitatitra izany any amin’ny firenena niaviany ireo vahiny miatrika ny Lalaon’ny Nosy amin’izao fotoana izao.

Hamafisina hatrany, fa mampanahy lalina ny hoavin’ity firenena malagasy ity noho izao fihetsiky ny fitondrana izao. Tsy iadian-kevitra, fa tsy hahasoa na ny firenena na hoan’ny vahoaka malagasy izao ataony izao. Ary milofo mafy amin’ny fametrahana leson-dratsy eto amin’ity firenena ity izy ireo. Izany no lova tiany havela holovain’ny taranaka fara aman-dimby, tsy tokony ho azo ekena intsony izay, soa ihany fa 11 andro sisa dia tokony hiala Rajoelina araka ny efa voalaza teo.