NY NANIRAHANA AN’IREO

Ireo mpitsara sy komity ireo ihany no hotanana
Ka handrindra sy handamina ny zotram-pifidianana?
Dia inoy fa ny hala-bato no hita soritra efa miainga,
Fa ny nanirahana azy? ny hampandresy an-dRainilainga!

Ka mizotra ho amin’izany ireo rehetra izay ataony,
Peta-toko sy amboletra, izay no tena kilalaony.
Efa ampoizina indray ny fiverenan’ireo hosoka,
Manavanana azy mantsy ilay hoe « lisitra vorosoka »!

Raha izay mbola ireo ihany no omanina hitsara,
Dia tsy hisy ny « madio » sy izany hoe « mangarahara »,
Fa tsy maintsy ho « tsara vilana » sady feno fiandaniana,
Tena izany no hiseho ka dia tsy hampisy fitoniana!

Na ny toetra aseho aza, efa tena mahonena,
Fa ny fotsy no tadiaviny mbola havadika ho mena.
Efa tena mampisento sy mampiaiky ny mpitazana,
Tena azo kilasiana ho « mpivaro-tanindrazana »!

DADAN’i RIANA (25-08-23)